Tsy mandry ny tany !
Tena efa miorim-paka tanteraka eto Madagasikara ny asa fampihorohoroana amin’ny endriny manokana. Tsy manana olana amin’ireo lazain’ny firenena tandrefana ho mpampihorohoro iraisam-pirenena i Madagasikara ary tsy manana olana amin’ny resaka ara-pinoana ihany koa, nefa dia maro lavitra noho ny olona maty any amin’ny tany anjakan’ny ady ny matin’ny herisetra eto amintsika isam-bolana. Midika io fa efa tena mivadika ho asa fampihorohoroana ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Isan’andro vaky izao dia andrenesana olona maty vokatry ny herisetra. Vitsy amin’ireo nahavanon-doza anefa no voasambotra sy voaheloka hisazy mafy mifanandrify amin’ny zava-bitany. Na izy ireo tafatsoaka, na kely ny sazy mahazo, na afa-maina ihany koa. Ny fitsaram-bahoaka sisa no hany fefy tokana manohana ny herisetra mahatsiravina eto amintsika. Ny Fitsaram-bahoaka ihany no atahoran’ny olon-dratsy ka mampiahotra azy ireny indraindray tsy hamita ny habibiany. Tsy azo atao anefa io fitsaram-bahoaka io fa voararan’ny lalàna. Mizarazara be ihany ny hevitry ny rehetra satria lasa fanararaotana ihany koa ny vono olona tambabe ataon’ny mpiray tanàna an’izay voarohirohy ho nahavanon-doza. Ny tena olana goavana dia matetika olona tsy mbola voaporofo akory fa tena meloka no matin’ny fitsaram-bahoaka.
Ankilan’izany anefa dia toa mety ihany ny fampiharana azy io satria ny tanàna malaza amin’ny fitsaram-bahoaka dia tsy misy asan-jiolahy sy herisetra firy. Izany hoe tena mahomby amin’ny fametrahana fandriampahalemana ny fandrasain’anjaran’ny vahoaka mivantana amin’ny famaizana ireo olon-dratsy. Miantso fiaraha-miasa amin’ny vahoaka ihany ny mpitandro filaminana saingy hita ho tsy mahomby izany. Tsotra ny antony: natao hanoro sy hanampy amin’ny fisamborana fotsiny ihany ny vahoaka fa tsy mahazo anjara amin’ny fanasaziana. Avotsotry ny polisy na ny fitsarana ireo jiolahy voasambotra avy eo noho ny antony maro samihafa mifanaraka tsara amin’ny lalàna manan-kery. Dia miverina misehoseho sy mandrahona ireo lasibatra ilay olon-dratsy avy eo satria tsy nosazian’ny fitsarana.
Sarotra ny raharaha ary tsy misy azo omena tsiny na ny vahoaka, na ny mpitandro filaminana na ny fitsarana satria iaraha-mahita ny tsy fahatomombanan’ny rafitra misy eto amintsika. Nisesisesy izao tato ho ato ny resaka fakana an-keriny nefa natao tompon-trano mihono hatrany ny mpitandro filaminana. Tsy nametraka fitoriana ny havan’ireo lasibatra ary tsy manome vaovao hanampiana ny mpitandro filaminana hanao fanadihadiana ihany koa. Aleon’ireo fianakaviana lasibatra nikarakara irery tany ambadika tany ny fandaminana ny raharaha ary hita fa nivaha tokoa izany. Tsy nisy ihany koa fampilazana tamin’ny mpitando filaminana fa efa votsotra ilay nalaina an-keriny fa dia teny ambony gazety no nahenoana izany. Tsy azo omena tsiny anefa ireo lasibatra satria aina no resahina ary io aina io tsy voavidy vola. Matoa izy ireo naka ny fanapahan-kevitra tsy hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana dia mahita fa izay no mety kokoa hampilamina ny raharaha.
Mbola manamafy ihany anefa ity tranga iray ity fa ny samy miaro ny tenany ihany no vahaolana mahomby amin’ny resaka fandriampahalemana eto Madagasikara. Izay tsy mahavita miaro ny tenany manoloana ny herisetra sy ny heloka bevava rehetra dia matimaty foana fa zara raha misy mpiaro manoloana ny asa fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra.
Niaraha-nahita ohatra ny fisamborana mahery vaika nahazo ilay mpianatra mpitarika korontana teny amin’ny oniversite Ankatso. Ekena fa nahery fiteny sy nahery fihetsika ilay mpianatra saingy kosa olona tsara fiofanana sy mahafehy ny asany ny mpitandro filaminana ka tsy nankasitrahan’ny maro ny famelezana totohondry imasom-bahoaka ilay nosamborina. Efa endrika herisetra ireny ary endrika fampihorohoroana ihany koa izay milaza mazava fa izay sahy mianan-kendry hanohitra ny fandaminana dia iharan’ny vono sy daroka. Lasa lojikan’ny fampihorohoroana sisa ny eto amintsika.
Ravalo tsy Manana