Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Fanafihana mitam-piadiana – Lasa ny vola 20 tapitrisa ariary

Ny alin’ny alatsinainy hifoha talata no nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Besopaka ao anatin’ny distrikan’i Sambava. Jiolahy miisa telo mirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no nanafika ny tranon’ny mpandraharaha lavanila iray ao an-toerana. Nanao tifi-danitra avy hatrany ireo olon-dratsy vao tonga teo ambavahadin’ilay lasibatra mba ampitahorana ny manodidina. Nopitsohan’izy ireo ny varavarana ary vantany vao tafatsofoka tao an-trano dia nandrahona ny tompon-trano hanome ny vola ao aminy. Ity farany kosa tsy nety nanome fa nanohitra ireo tsy mataho-tody ka notsondrimin’izy ireo ny antsy teo amin’ny kibony. Naratra mafy ilay mpandraharaha ka tsy nahatohitra ireo jiolahy intsony ka nanamora ny fangalaran’izy ireo ny vola sy ny fananany. Tamin’izany fandrobana izany no  lasa ny vola mitentina 20 tapitrisa ariary vidin’ny lavanila azo ny androtr’io sy vokatra milanja 2 taonina.

Teo anelanelan’izany dia efa nampandre ny mpitandro filaminana ireo mponina manodidina ka nidina teny an-toerana ireto farany. Vao nahatazana ny fahatongavan’ny polisy ireo jiolahy dia vaky nandositra fa tratra ny roa tamin’izy ireo raha toa ka tafaporitsaka ny iray. Tamin’ny fanadihadiana no nilazany fa efa nahatsikaritra ny fisian’ny vola tao amin’io trano io izay vidina lavanila izy ireo. Mitohy ny fikarohana ny jiolahy namany iray afa-nandositra.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre