Fanendahana mpitaingina môtô – Noraisim-potsiny ireo jiolahy
Teny Anosipatrana no nisehoan’izany ny harivan’ny alahady 23 aogositra tamin’ny 6 ora tany ho any. Lehilahy maromaro no fantatra fa nanakana môtô iray izay sendra azy teny Trano Dimy, amin’ny toerana voalaza etsy ambony. Saika nendahan’ireo andian-jiolahy ireo ilay mpitondra môtô fa tsy nanaiky moramora foana. Raikitra noho izany ny fifanoherana fa tratry ny be no vitsy ilay mpitaingina môtô ka tsy nahatohitra ireo olon-dratsy miisa efa-dahy. Nalain’ireo jiolahy ny vola mitentina 400 000 ariary ary tsy vitan’izany fa mbola nopotehan’izy ireo ihany koa ilay kodiaran-droa.
Nahita izany ireo fokonolona dia nandray ny andraikiny ka nampandre ny polisy avy hatrany. Nidina teny an-toerana noho izany ireo mpitandro filaminana hijery ifotony ny zava-misy ka noraisim-potsiny ireo efa-dahy. Efa tafaverina amin’ireo tompony ny vola be norobain’ ireo mpanendaka. Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny polisy izy ireto mba atao famotorana ary natolotra ny fitsarana omaly talata 25 aogositra.
L.N