Tovolahy maty voatsatoka antsy – Any Tsiafahy i Karana
Teny Andrefan’Ambohijanahary no nitrangan’izany ny alin’ny 19 jolay, volana lasa teo. Mpisakaiza handeha hody no nisy nanendaka tamin’io alina io saingy tafatsoaka ilay tovovavy raha toa ka tavela teo ilay tovolahy niaraka taminy. Raha tsiahiviny dia handeha hanatitra ny sakaizany ity tovolahy tamin’io fotoana io ary efa tonga teo amin’ny vavahadin’ilay tovovavy raha niseho ny loza. Ny alin’io ihany dia nisy olona tonga teny amin’ny polisy nilaza fa misy fatin’olona eny amin’iny toerana iny. Rehefa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana dia nahita ny fatin’ilay tovolahy izay tokony ho 21 taona voatsatoka antsy teo amin’ny tendany. Nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy dia fantatra fa ny sakaizan’ilay tovovavy ity maty ity. Araka ny feo anefa dia izany antsoina hoe Karana izany no malaza mpanendaka amin’iny faritra iny ary tadidin’ilay vehivavy tsara ny tarehiny. Natao ny fikarohana ka voasambotra teny Ankasina io lehilahy io ary rehefa nasaina nojeren’ilay lasibatra dia niaiky izy fa io tokoa ilay anisan’ny nanendaka azy roa ka nahafatesan’ilay olona niaraka taminy. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo ary nalefa eny Tsiafahy avy eo.
Mpamono iray hafa sarona
Raha tsiahivina dia lehilahy iray no maty nisy namono tao Ambilanibe Andavamamba ny 7 aogositra lasa teo ary very tamin’io ihany koa ny bisikiletan’ny rahalahany izay tokony nateriny tamin’io toerana voalaza io. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy dia voasambotry teny Isotry i Jerrico. Ity farany izay mpanendaka gaigilahy no sady malaza sy ikoizan’ny olona amin’iny faritra iny. Mbola tratra teny aminy nandritra ny fisamborana azy ny antsy maranitra iray fanatanterahany ny asa ratsy. Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia izy mihitsy no namono nahafaty an’io lehilahy io. Natolotra ny fampanoavana ny alatsinainy teo ihany koa i Jerrico ary niditra am-ponja eny Tsiafahy.
L.N