Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Mpiray tsikombakomba !

Laharam-pahamehana vaovaon’ny fitondram-panjakana indray tato ho ato ny fametrahana fepetra ifanarahana amin’ny parlemantera. Izany hoe ametraka marimaritra iraisana ka hampikombona ny vavan’ireo solombavambahoaka ary tsy hitsabaka amin’izay rehetra tsy mety ataon’ny governemanta sy ny fiadidiana ny Repoblika. Misy tokoa ireo depiote no roboka tanteraka sy mankasitraka izany lamina napetraky ny filoham-pirenena izany. Ny filohan’ny antoko Hvm ihany koa dia efa nilaza mazava fa vonona hifanaraka amin’ireo solombavambahoaka miray hevitra amin’ny programan’asan’ny fanjakana  ny fahefana mpanatanteraka. Izany hoe lasa mpiray miombon’antoka amin’ny fahefana mpanatanteraka ny fahefana mpanao lalàna. Na ho an’ny olona tsy nandalina ny fianarana ny Lalàmpanorenana aza dia mahatsinjo avy hatrany fa mifanohitra tanteraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fifanarahana ataon’ny solombavambahoaka sy ny fiadidiana ny Repoblika. Ny fototry ny fisaraham-pahefana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna mihitsy eto no voahosihosy. Izany hoe lasa tsy manao ny asany amin’ny fanaraha-maso ny governemanta intsony ny solombavambahoaka satria voafatotry ny sonia izay ataony amin’ilay hoe « mémorandum » sy ilay « pacte de responsabilité ». Voatery tsy maintsy hanaiky tsy sazoka izay volavolan-dalàna rehetra atolotry ny governemanta ary ihany koa tsy afaka ny hiteny ny tsy mety eto amin’ny firenena intsony ireo parlemantera raha tojo amin’ny fifanarahana tokoa ny roa tonta.

Fandrika goavana ho an’ny ho avin’ny firenena izany satria tsy misy rafitra sy andrim-panjakana mahaleo tena afaka ny hijoro hanao aro riaka ny mety ho fihoaram-pefin’ny mpitondra fanjakana intsony eto satria efa lasa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ny solombavambahoaka. Malalaka tanteraka hanao izay tiany atao ary tsy hanana ahiahy na kely akory ny amin’izay tsy mety ataony ny mpitondra satria efa nanao sonia amin’ny fifanarahana andraikitra ny parlemantera. Miroso tsikelikely any amin’ny ‘fitangoronan’ny fahefana’ eo amin’ny filoham-pirenena i Madagasikara raha izany no mitranga satria sady efa tsy manana ny fahefana mpitsara isika no mbola ho fatorana tsy hanao ny asany ihany koa ny fahefana mpanao lalàna.

Loza mitatao ho an’ny firenena ny toy izany satria raha ny ara-tantara sy ny zava-misy maneran-tany dia lasa mitodika any amin’ny fanaparam-pahefana ny fitondram-panjakana tsy misy mpanara-maso ary miafara amin’ny krizy politika hatrany ny raharaha.

Ireo rehetra ireo no ilazana fa mpiray tsikombakomba amin’izay mety tsy ho fahombiazana eo amin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny fahefana roa tonta raha toa ka miroso tokoa amin’izany fifanarahana izany.Mitodika tanteraka amin’ny fizarana seza sy tombontsoa mantsy no tena fototra iorenan’ny ady hevitra sy ady varotra eo amin’ny solombavambahoaka sy ny fiadidiana ny Repoblika. Izany hoe tsy ny vahoaka sy ny firenena intsony no laharam-pahamehana fa ny fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny firenena.

Misy lafiny iray mitombina ihany ny fehin-kevitra nivoaka tamin’ny zaikaben’ny fampihavanam-pirenena izay mamaritra ny tokony handravana ny andrim-panjakana rehetra. Tsy dia misy zava-bitan’izy ireny ankoatra ny fifanenjehana sy fifanaratsiana, ary avy eo anefa mifanatona indray hizara sy hanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Hita soriitra sahady fa ho potika ny ho avin’ity firenena rehefa ireo olom-boafidy nomen’ny vahoaka fahefana hiaro ny tombontsoan’ny maro an’isa no mitady hevitra ifampizarana seza sy fahefana ary voninahitra.

Manoloana izany rehetra izany dia toy ny tsy misy ny vahoaka malagasy nefa ny vidim-piainana tsy mitsaha-misondrotra. Variana amin’ny fitadiavana hevitra hanamafisana ny sezany sy hiarovany ny tombontsoany ireo manam-pahefana ka manadino tanteraka fa ny vahoaka no nametraka azy ireo teo amin’ny toerany ary hanompo ny vahoaka no asa nankinina taminy. Mbola ela rahateo vao hisy fifidianana mivantana ka tsy dia misy antony hijeren’ireo mpanao politika izay fahasahiranam-bahoaka any.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre