Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Famahana olan’ny delestazy lavareny – Tonga ao min’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fitaovana nofain’ny Jirama tany Ecosse

Ny 27 jolay lasa teo no nanomboka efa tonga ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny kaontenera miisa 44 misy ireo  fitaovana nafaran’ny orinasa Jirama nofaina tamin’ny orinasa Aggreko, any Ecosse. Mitondra ireo milina toy ny « transformateurs sy ny groupes électrogènes ». Ny kaontenera efatra amin’ireto misy ny fitaovana ireto no misy ny kojakoja samihafa « consommables » ilaina amin’ireo milina ireo : entina ho famahana ny olan’ny delestazy lavareny izay mampitaraina ny besinimaro, ka mampikaikaika sy iainan’ny vahoaka mpampiasa herinaratra eo amin’ny fanaovana fiharian-karena fitadiavana andavanandro. Ny alatsinainy 27 jolay 2015 no niainga tao Dubai ny sambo Claes Maersk, ary ny alatsinainy 10 aogositra  kosa ny Nancy Victory, no nihantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina .  Voalaza fa hofain’ny Jirama amin’ny Aggreko, orinasa britanika misahana manokana ny fampanofana ny « groupes électrogènes » izay ao Glasgow, Ecosse, no misy ity ozinina mpampanofa fitaovana fampandehanana herinaratra ity. Inoana fa hivaha amin’izay ny fahoriam-bahoaka misedra ny fahatapahan-jiro matetika eto amin’ ny firenena.

ZOUZOUH Toamasina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre