Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Sekoly ambony momba ny fambolena sy fiompiana – Nanao fampirantiana ireo mpianatra

Ohatry ny fanao isan-taona miaraka amin’ny fikambanana momba ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara dia manantanteraka fampirantiana haharitra telo andro ny sekoly ambony momba ny Fambolena sy fiompiana eny amin’ny Oniversiten’i Ambohitsaina. Nanomboka omaly alarobia 26 aogositra izany ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 28 aogositra amin’ny alalan’ny fivoahan’ny mpianatra amin’izany sampam-pampianarana izany ny andron’ny « Agro ».  « Mahatratra telopolo any ho any ny trano heva haranty mandritra ny fotoana izay hanehoan’ny sampam-pampianarana rehetra amin’ny « Agro » sy ny mpiara-miasa aminy ny vokatry ny tsirairay avy. Ho an’ny sampam-pampianarana momba ny sakafo izao ohatra dia manamboatra sakafo ry zareo ka haranty sy amidy ao. Hisy ihany koa hetsika samihafa mandritra ny fotoana toy ny hetsika ara-kolotsaina sy ny ara-panatanjahantena. Ankoatra ireo dia mandray olona avy any ivelany manana vokatra haranty mifandray amin’ny fambolena mikajy ny tontolo iainana ihany koa ny sekoly « Agro » ary miara-miasa akaiky amin’ny Guanomad, Lfl, Farmashop, Avitech sy ny maro hafa », hoy ny filohan’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pampianarana momba ny fambolena sy fiompiana, Andriamatoa

Mbolahoavy Billy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre