Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Lozam-pifamoivoizana Vehivavy iray maty tsy tra-drano

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny lalam-pirenena faha-34 ny talata tamin’ny 7ora hariva lasa iny. Fiara taksiborosy iray no nivadika ambony ambany rehefa niditra ny tananan’i Soanafindra ao anatin’ny distrikan’i Miandrivazo. Olana ara-teknika no fantatra fa nahatonga ny loza tamin’io fotoana io. Tapaka tampoka mantsy ny hisatr’ilay fiara ka nahatonga ny mpamily tsy nahatana  ny familiana intsony. Vehivavy iray 46 taona no maty tsy tra-drano tamin’izany raha toa ka naratra mafy daholo ireo mpandeha tao amin’izany fiara izany. Nisy ny tapaka tanana sy tongotra, tao ihany koa ireo torana tsy nahatsiaro tena noho ny dona mafy nihatra tamin’izy ireo. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly ireo naratra ary natolotra ny fianakaviany kosa ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre