Môtô latsaka anaty rano – Niparitaka ny atidohan’ ilay tovolahy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray ny tao amin’ny distrakan’i Sambava omaly maraina tokony tamin’ny 6ora tany ho any. Tovolahy iray 25 taona avy namonjy alim-pandihizana no maty tsy tra-drano tany an-toerana rehefa tsy nahatana ny familiana ny môtô nentiny. Mamo izy io raha ny fantatra ary nandeha mafy be hany ka rehefa tonga teo amin’ny fiolanana dia latsaka tany anaty rano. Araka ny fanambaran’ ny loharanom-baovao, nipitika tany afovoan’ny rano lalina tany ilay kodiaran-droa ary izy kosa taty amin’ny sisin-drano. Nidona mafy tamin’ny vato be teo amin’izany sisin-drano izany ny lohany ka vaky ary niparitaka mihitsy ny atidohan’ilay tovolahy. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny mpitsabo dia natolotra ny fianakaviana ny razana.