Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Fahavalom-pirenena !

Naka fanapahan-kevitra ny avy eo anivon’ny tafika malagasy fa handray an-tanana amin’izay ny  fiarovana ny firenena manoloana ny dahalo izay sokajiana ho fahavalom-pirenena. Efa ela no niandrasan’ny vahoaka izany satria tena mampitondra faisana ny malagasy an-taonany maro ireo mpangalatra omby ary anisan’ny fositra iray tsy mampandroso ity firenena ity. Vao mainka rahateo nirongatra be ny asan-dahalo tato ho ato ary niha-nahery vaika sy tsy nitsitsy mihitsy izy ireo. Hatramin’ny mpitandro filaminana polisy, zandary ary miaramila no aripak’ireo olon-dratsy ireo rehefa manao ny asany amin’ny fanarahan-dia sy fampandriana ny fahalemana.Tonga saina ankehitriny ny tafika ka hijoro hanafoana sy handray andraikitra amin’ny ady amin’ny dahalo amin’ny endriny rehetra. Izany hoe tsy ireo andian-jiolahy mirotsaka an-tsehatra manafika tanàna sy mangalatra omby mivantana fotsiny ihany no atao hazalambo, fa ireo sokajiana ho dahalo ambony latabatra ihany koa. Tsy azo afenina tokoa mantsy fa manana mpiaro ireny dahalo ireny ary misy mpiray tsikombakomba amin’ny sehatra rehetra matoa miroborobo fatratra sy mahavita manitatra ny asa ratsin’izy ireo. Miainga any amin’ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratonga izay manome taratasy hivarotana omby halatra, sy manao izay hamotsorana ireo dahalo voasambotra izany, ary mikapa any amin’ny ireo mpampiasa vola amin’ny fividianana ireo omby any amin’ny dahalo.

Efa rafitra iray mafy orina sy lalim-paka hatrany amin’ny razam-be nifandimby ny asan-dahalo ary vao mainka niha-natanjaka satria nahay nivoatra araka ny toetr’andro izy ireo. Sady manana ny ombiasy mpamatsy ody gasy izay tena inoany fa miaro sy mampatanjaka azy mantsy ny dahalo no mampiasa fitaovam-piadina mahery vaka ihany koa. Taloha dia ny pilotra sy ny lefona no nalaza fa fitaovam-piadiana ampiasan’ireo mpangalatra omby. Fa ankehitriny kosa dia efa mirongo basy kalaky izay fampiasan’ny mpitandro filaminana izy ireo. Fahiny ihany koa dia nanana mpitsikilo sy mpamadika eo anivon’ny tanàna izay ho tafihany izy ireny fa amin’izao fotoana izao dia efa olona any anaty fitondram-panjakana mihitsy no miaro azy. Izany hoe tena nahay nivoatra sy nametraka rafitra tsara tantana ary tsy laitra hozongozonina ireo mpangalatra omby eto Madagasikra ka rariny sy hitsiny ny tafika raha handray azy ireo ho fahavalom-pirenena. Tsy vita ary tsy ho resin’ireo mpitandro filaminana vitsivitsy napetraka any amin’ny tany lavitra andriana any intsony ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany amin’ny hetraketraky ny malaso. Efa ny tafika iray manontolo mihitsy no mila hetsehina vao mety ho vita ny fanaovana hazalambo ireo fahavalom-pirenena ireo.

Tsy hahita fahombiazana anefa ny tafika raha hiasa irery satria misy dia misy ary maro be ireo antsoina hoe “dahalo ambony latabatra”. Tena ny fitondram-panjakana iray manontolo mihitsy no mila mihetsika raha te hiroso marina amin’ny fametrahana firenena tan-dalàna sy hanjakan’ny mangarahara sy ny fahamarinana i Madagasikara. Efa asan-dahalo amin’ny fomba maoderina ny fanaovana kolikoly satria sady mangalatra no mamono olona. Firifiry ny olon-dratsy sy nahavita heloka bevava no afaka madiodio ary tsy mba nigadra eny am-ponja na dia andro iray monja aza. Ny tale jeneralin’ny Bianco aza dia nilaza mazava teo anoloan’ny mpanao gazety fa efa nisy olona nanodikodina vola amina miliara nefa dia sazy mihantona amam-bolana vitsy no azony. Fahavalom-pirenena avokoa ny filaza izay rehetra mangalatra sy manodikondina volam-panjakana ary mangoron-karena eo ambony fitsetsefana ny harem-pirenena sy ny tombontsoa tokony ho an’ny vahoaka. Farany teo aza dia be ny resaka mandeha eny amin’ny Antenimieram-pirenena fa misy fanambatambazana tombontsoa mikasika ny fanaovana sonia ilay lazain’ireo mpanao politika ho “mémorandum” sy “pacte de responsabilité”. Mahagaga rahateo fa natao tamin’ny teny vazaha ireo antontan-kevitra fifanarahana ara-politika eo amin’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ireo fa tsy mba natao tamin’ny teny malagasy mazava. Efa misy endrika kolikoly izany raha tena mitombina. Dia mbola fahavalom-pirenena no fiantso izay rehetar niray petsapetsa tamin’ireo fifanarahana ireo raha toa ka tena tombontsoa ho an’ny andaniny sy ny ankilany no tanjona ao ambadik’izany. Andrasan’ny vahoaka, noho izany, ny fijoroan’ny tafika hamongotra amin’ny fotony izay fahavalom-pirenena rehetra.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre