Antsiranana – Tovolahy naratra mafy voatsatoka antsy
Mbola mitohy hatrany ny hetraketraka ataon’ireo tanora “foroches” any an-tampon-tanànan’Antsiranana amin’ny fandratrana ny namany. Tovolahy manodidina ny 15 taona no fantatra fa voatsatok’antsy teo amin’ny faritry ny tratrany, ny alahady atoandro teo, teny amin’ny lalana Villaret joyeuse manakaiky ny tsena. Tovolahy manodidina ny 14 taona no voalaza fa nahavanon-doza. Ary tsy vitan’ny notsatohana antsy ihany ilay lasibatra fa mbola nokapohany tamin’ny hazo ihany koa. Nilaza ilay niaran-doza fa fantany tsara ilay nandratra azy. Ny mahavariana anefa dia tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana any an-toerana manoloana ny herisetra toy izao. Ahiana noho izany ny mety hisian’ny valifaty amin’ity raharaha ity ary heverina ho samy “foroches” ihany.
Tsy vitsy ihany koa ireo mponina any an-toerana no velon-taraina amin’ny afitsok’ireo andian-jatovo maditra ireo. Araka ny fantatra mantsy dia toa hamaivanin’ny fanjakana any an-toerana ny fampihorohoroana ataon’ireto zatovo ireto ary tsy misy ny fandraisana andraikitra tandrify izany.
L.N