Very toky !
Tsy nipetra-potsiny fa hametraka fitoriana eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpianatry ny oniversite niharan’ny herisetran’ny mpitandro filaminana. Mahafantatra tsara anefa ireto mpianatra ireto fa misy fitsarana mahefa afaka ny handray an-tanana ny fitarainan’izy ireo eto Madagasikara. Eny Ankatso rahateo dia maro manam-pahaizana manokana momba ny lalàna ary tsara mpisolo-vava ireo mpianatra nefa naleon’izy ireo nisafidy ny hitondra ny raharaha eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Misy antony izany ary toa midika avy hatrany fa tsy mahatoky ny fitsarana eto an-toerana ry Jean Pierre sy ny tariny. Iaraha-mahita rahateo ny zava-misy fa mbola sarotra izany hitory mpitandro filaminana eny anivon’ny fitsarana izany raha mbola eto Madagasikara. Ny mpitandro filaminana mantsy izao no andry mafy indrindra mbola mampijoro ny fitondrana ka sarotra ny hanasazy azy ireo na dia misy aza ny fihoaram-pefy. Efa niaiky ny fisian’ny tsy mety ny lehiben’ny zandary ary nampanantena ny hisian’ny fanadihadiana sy fanasaziana ireo nanao hadisoana teo anivon’ireo eo ambany fitantanany nefa, ihany koa manana ny zony hitory eny anivon’ny fitsarana ilay mpianatra voadaroka. Raha ny zava nisy tokoa mantsy dia efa resy nanoloana ny fitsarana i Jean Pierre. Izy voadaroka indray no voaheloka am-ponja sazy mihantona mandritra ny enim-bolana.
Kely ny fanantenana hahazoan’i Jean Pierre rariny amin’ity raharaha ity satria maro ny zavatra mifamahofaho ary tena saro-pady ny raharaha ka mety hisafidy izay fanapahan-kevitra mety hitondra any amin’ny fitoniana ny fitsarana malagasy. Io antony io no mety nahatonga ireo mpianatra hikasa ny hametraka fitoriana eo anivon’ny fitsarana iraisam-pirenena. Ity farany ihany koa anefa dia tsy tena azo itokisana satria karazan’ny mpampiady angely ihany matetika fa tsy dia sahy mandray andraikitra feno manoloana ny tsy an-drariny. Mampirisika fotsiny ny masoivoho vahiny sy ireo fikambanana mpiaro ny zon’olombelona hoe tsy rariny ny nahazo an’i Jean Pierre fa rehefa tena antsoina mba hanome tanana hahatongavana amin’ny tena fanamelohana ireo nanao ny herisetra eo anoloan’ny fitsarana dia samy mialangalana avokoa.
Sarotra ny hino fa hisy fitsarana hamoaka didy hanameloka sy hanasazy ireo mpitandro filaminana azo sary nidaroka sy nanitsaka an’i Jean Pierre teny Ankatso. Saika mijanona eo amin’ny sehatry ny fanamelohana am-bava sy ny fanadihadiana fotsiny ny fampanantenan’ireo tompon’andraikitra afaka mandray fanapahan-kevitra hanasazy.
Raha toy izany hatrany anefa no zava-mitranga eto amintsika dia very toky ny malagasy satria tsy misy azo ianteherana intsony. Ny mpitandro filaminana natao hiaro lasa mampiasa hery famoretana, ny fitsarana natao hianteherana toa vao maika manasazy. Iza intsony izany no mba hitarainan’ny malagasy manoloana ny tsy an-drariny rehetra mitranga eto amin’ny firenena?
Manoloana izany zava-misy rehetra izany dia toa mangingina ny mpitondra Fanjakana ary miantehitra fotsiny amin’izay fanapahan-kevitry ny tompon’andraikitra notendrena isan’ambaratongany. Ireto farany anefa iaraha-mahita fa somary voafetra ihany ny fahefany hampihatra ny lalàna nohon’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena.
Taratry hy fahalemen’ny fitondram-panjakana ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitsarana ary ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Tsy mipetraka mihitsy ilay fampiharana ny tany tan-dalàna izay lazaina fa laharam-pahamehana satria azo iadian-kevitra tsara noho ireo tranga maromaro tato ho ato ny fisian’ny fampiharana mitanila mikasika ny fampiharana ny lalàna. Toa ny vahoaka madinika hatrany mantsy no voasazy sy midoboka am-ponja fa ireo tompon’andraikitra ambony izay hitam-poko hitam-pirenena fa manao ny tsy mety toa afaka ho azy eny fotsiny. Rehefa ny olon-tsotra no hampangain’ny mpitondra fa nanao hadisoana dia voaeloka avy hatrany. Rehefa ny mpitondra kosa anefa no voatory dia misy hatrany ny andinin-dalàna manadio azy ireo ary milaza fa tsy mitombina ny fiampangana. Mahavery toky ny zava-misy raha izao no mitohy.
Ravalo tsy Manana