Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

FISEMARE – Fitairanana dimy isan’andro no voaray

Raha oharina tamin’ny taona lasa dia nitombo ny fitarainana voaray avy amin’ ireo mpiasa manoloana ny tsy rariny izay ataon’ny mpampiasa. Tsy latsaky ny dimy isan’andro mantsy amin’izao fotoana izao ny fitairanana voarain’ny Fisemare, araka ny fanambaran’ny mpitan-tsoratra jeneraly, Lalao Rasoamananoro, nandritra ny kaongresy izay tanterahan’izy ireo ao amin’ ny « Le pave » Antaninarenina, izay haharitra telo andro. Mahakasika ny fanavakavahana, ny fandroahana faobe ary indrindra ny « chômage technique » no fitairanana be indrindra.

 

Maro ny mpiasa lasa adala

Tanjona ny hijerena ny ezaka efa vita tao anatin’ny dimy taona lasa sy hanatsarana ny fomba fiasa amin’ny dimy taona manaraka, izay hanamafisana ny fiarovana ny zon’ny mpiasa malagasy. Raha ho an’ny Sekrima manokana indray dia mahatratra 380 eo ho eo ny fitarainana voarain’izy ireo tao anatin’ny telo volana lasa izay. « Ny zo fototry ny mpiasa no hahazoana fitarainana. Matetika dia tsy azo mihitsy izy io raha tsy takiana. Rehefa tonga eny amin’ny fandravana didy ihany koa dia matetika rava daholo izany ka tsy vitsy ireo mpiasa lasa adala », hoy Remi botoudi, lehiben’ny Sekrima.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre