Mpampiely baiboly malagasy – Mpiasa miisa efapolo nalefa « chômage technique »
Efa nanomboka ny voalohan’ny volana septambra lasa teo no niditra amin’ny « Chômage technique » ny mpampiely baiboly malagasy etsy Ampatsakana. Olana ara-bola no fantatra fa nandraisana izay fanapahan-kevitra izay ary haharitra enin-bolana izany.
Mpiasa miisa efapolo no nesorina amin’ny asany. Midika ho fanakanana ny fampielezana ny baiboly izao fanapahan-kevitra izao satria ny mpiasa tokony hitondra vahaolana indray no alefa « chômage technique », hoy ny solontenan’ny mpiasa. Tsy mankasitraka io fidirana amin’ny fandefasana mpiasa tsy hiasa io, noho izany ireo mpiasa ao an-toerana. Midika ho fanapotehana sy fanagejana ny finoana kristianina izany. Antony dia mbola misy ny azo atao, hoy hatrany izy ireo raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny biraon’ny mpampiely baiboly Ampatsakana. « Fandresen-dahatra amin’ny finoana no famahana olana izay atao amin’ny fampielezana ny baiboly », hoy i Emile Rasolofoniaina solontenan’ny mpiasa. Efa nisy ny fifampidinihana niaraka tamin’ny filan-kevim-pitondran’ny Fmbm sy ny tale jeneraly fa tsy nahitam-bokany izany. Vonona ny hampandefitra ny tombontsoan’ireo mpiasa amin’ny fampihenana ny vola raisin’izy ireo satria te-handray anjara amin’ny fanarenanana. Raha araka ny soson-kevitry ny mpiasa dia tokony hahena ny fandaniana ao amin’ny fikambanana. « Mbola betsaka ny tahirin’ny baiboly ka ireny no tokony hamidy mora ary mitety ny fiangonana rehetra hatrany ambanivohitra lavitra be any izay tsy asiana tambin-karama akory », hoy Hoby Andriamoria solontenan’ny mpiasa.
Laurena Nany