Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Fanafihana mpivarotra – Maty voatsatok’antsy ny raim-pianakaviana

Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy tany amin’ny kaominina Andonabe, ao anatin’ny distrikan’i Mananjary nohon’ny afitsok’ireo jiolahy mitam-basy. Ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny 10 ora no nitrangan’izany. Andian-jiolahy miisa enina tsy nisaron-tava izy ireo no nanafika mpivarotra iray tany an-toerana. Toy ny fanaon’ny mpa,nafika mitam-piadiana dia nanapoaka basy in-telo misesy izy ireo.

Rehefa tafiditra tao an-trano dia nandrahona ireo lasibatra ireo jiolahy mba hamoaka ny fananan’izy ireo saingy nanohitra ny raim-pianakaviana.  Raikitra ny fifandonana ka notsatohan’ny jiolahy ny antsy ilay rangahy ary voatrobaka teo amin’ny lohany. Lasa avy eo ny vola-drakitra izay tsy fantatra ny totaliny, ny « Dvd portable » ary ny finday tao an-trano. Vokatry ny ratra mafy nahazo azy dia tsy nahatsiaro tena nandritra ny telo andro, tao amin’ny hopitaly Mananjary izy. Na nanao izay ho afany ary ireo mpitsabo dia tsy tana intsony ny ain’io raim-pianakaviana io, omaly maraina.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre