Vous êtes ici :

Jeudi 16 Janvier 2025

ombre

Adin’ny mpivady – Narian’ilay ramatoa an-dava-piringa ny zanany

Narian-dramatoa tany an-kabone ny zanany kely noho ny ady mivady. Na dia izany aza anefa, avotra soa aman-tsara ihany ilay zaza. Tsy nahadifotra azy mantsy ny rano tao anatin’ilay lavaka. Ny fitomaniany no ren’ny rainy ka izay no nahafahana namonjy azy.

Ny faran’ny herinandro iny no nisehoan’izany tao Marovato, distrikan’Andapa. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia niady izy mivady ny andron’io fa tsy fantatra kosa ny antony nampifanditra. Tezitra tamin’izany ilay ramatoa ka ny zanany kely vao herin-taona no nariany tao anaty lava-piringa. Tsy nisy nahita ny nanaovany izany fa ilay zaza nikiakiaka nitomany no henon’ny rainy ka ity farany no niezaka namonjy azy. Nodiovina ary nampitafiana ilay zaza avy eo.

Nandositra niala ny tanàna ny renin’io zaza io taorian’izay. Nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona ka nisy ny fikarohana azy. Ny ampitson’io alatsinainy io dia sarona ilay reny nahavanon-doza ka nosamborina avy hatrany. Taorian’ny fitsarana azy tany Antalaha dia nadoboky ny fitsarana am-ponja ao an-toerana ihany izy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre