May i Gasikara !
Mirongatra tanteraka ny doro tanety amin’izao fotoana izao. Tsy misy fiovana fa toy ny isan-taona dia ahitana afo sy setroka avokoa ny ala sy zava-maniry manamorona ny lalam-pirenena rehetra amin’ny vanim-potoanan’ny lohataona toy izao. Jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana ireny ho an’ny mpandalo ary fimenomenomana sy ranomaso sisa no azo atao. May ny firenena ary tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny mpitondra manoloana izany. Misesisesy ny fitsidiham-paritra ataon’ireo mpitondra Fanjakana izay azo antoka fa tsy maintsy mahita ireny firehetana rehetra ireny na avy eny ambony fiaramanidina na avy eny ambony fiara. Tsy mbola nisy na iray aza, eny fa na dia ny minisitry ny Tontolo iainana, aza nampiaka-peo manoloana ireny doro tanety mahatsiravina ireny.
Lasa fihetsiketsehana fotsiny sisa ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagsikara fa tsy misy mihitsy tompon’andraikitra ambony tena mijoro hitarika azy io. Be kabary sy miseho ho tena mpitolona mahery fo avokoa ny rehetra rehefa misy fankalazana andro na fety mikasika ny tontolo iainana fa ankoatra izay dia tsy hita popoka any amin’izay misy azy any.
Lazaina fa laharam-pahamehana ny fiarovana ny ala sy ny zava-boahary ao aminy nefa toa resaka ambony latabatra fotsiny ireny rehetra ireny. Tsy misy praograma maty paika sy tsara rafitra manaraka tetiandro entina hiarovana ny tontolo iainana izany eto. Tetika an-kafetsena ahazoana tombontsoa manokana amin’ny alalan’ny fakana anjara amin’ireo famatsiam-bola avy any ivelany no misy eto. Tsy azo adinoina anefa fa ny vahiny matoa manome vola dia ho an’ny tombontsoany manokana izany. Ireo vazaha tsy haninon-tsy haninona ary tsy velon-komana tany amin’ny tany nihaviany no homena karama be amin’ireny famatsiam-bola avy any ivelany ireny.
Ireo vahiny tsy an’asa tany an-taniny ireo no lasa sefo be sy mpibaikobaiko ny malagasy manam-pahazaina eto amintsika ka izay no tsy mampandroso ny raharaha. Ny malagasy rahateo mbola maro ireo tia kely sy jamban’ny patsa indray mahandro ka lasa misolelaka sy vonona ny hanao izay ho afany hanomezana ny harem-pirenena ho an’ny vahiny. Ireo vokam-pikarohana rehetra mahakasika ny tontolo iainana sy ny zava-boahary eto Madagasikara izao dia lasa any ivelany ny ampahany betsaka ary ny vahiny no milaza fa tompony.
Io antony io no anisan’ny mahatezitra ireo malagasy monina any ambany ravin-kazo rehetra any ka mahatonga azy ireo hanao fanahy iniana handoro ny ala. Asehon’ireo mponina any amin’ny faritra iasan’ireo milaza ho mpiaro ny tontolo iainana fa an’ny malagasy ny ala ka izay tiany hanoavany azy. Hatreto rahateo aloha dia tsy hita akory izay tena vokatra azon’ny firenena tamin’ireo tetikasa fiarovana ny ala izay vahiny no mamatsy vola azy. Lasan’ireo vazaha fotsiny ny biby sy zava-maniry ao an’ala ary izy ireo indray avy eo no manao tatitra maneran-tany manaratsy ny malagasy lazaina fa mpanimba ny tontolo iainana.
Manoloana izany tsy an-drariny rehetra izany dia mangina ny mpitondra Fanjakana ary minia mikipy mihitsy satria tsy mahavita tena. Tsy maintsy mitambitamby amin’ny vazaha vao afaka mampahafantatra tetikasa iray ho tanterahina satria ny vahaza no manome vola. Fihetsiketsehana ihany anefa ireny rehetra ireny satria tsy hita mihitsy izay vokatra eo fa mihamay andro aman’alina ny firenena.
Tezitra ny vahoaka ka manao fanahy iniana mandoro mba hampahafantarana fa misy tsy mety ny politikam-pirenena mikasika ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary. Ataon’ireo teknisianina tery vay manta sy am-pitaka fotsiny ny vahoaka eny ifotony hanaiky izay tetikasa rehetra aroson’izy ireo. Mody manaiky ny olona satria tambazana vola fa rehefa tapitra izay dia doran’izy ireo indray ny ala. May ny firenena, may i Gasikara.
Ravalo tsy Manana