Belobaka – Lasa fahavalon’ny mponina ireo miaramila
Misy kosa ireo mitairana fatratra nohon’ny ataon’ireo miaramila mpampandry tany, izay tena manao habibiana. « Mitaraina sy miantso vonjy ny mponina ao amin’ny kaominina Belobaka, ao amin’ny faritra Bongolava satria tsy misy fanadihadiana fa tonga dia mitifitra ireo miaramila nefa resaka tondro molotra », hoy ny solontenan’ny mponina tafaresaka taminay, omaly. « Ankoatra ny fanaovana heri-pamoretana dia mbola miaro fanolanana izany. Maro ireo olona amin’izao fotoana izao no voatery miala amin’io kaominina io ary mifindra toerana mihitsy. Ny Zandary moa tsy afa manoatra fa mitazana fotsiny sisa. Manomboka izao dia fahavalo lavitra noho ireo dahalo ireo miaramila ireo », hoy ny mponina avy an-toerana.
Misy ihany anefa ireo mankasitraka ny hetsika ka milaza fa tsy misy fandriam-pahalemana raha tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny mpitandro filaminana. Etsy ankilany, mangataka fiara-miasa amin’ireo fokonolona ny mpitandro filaminana mahakasika ny fomba hanafihana ireo dahalo satria ny vahoaka no mahalala kokoa ny kizo izay fieren’ny olon-dratsy.
L.N