Vous êtes ici :

Vendredi 10 Janvier 2025

ombre

Fanadiovana tanàna – Nozaraina ordinatera ireo mpanala fako

Miisa 425 ankehitriny ireo mpamafa làlana eto Antananarivo renivohitra. Mizara roa izy ireo ka ny 50 natao mpiandry raharaha sady miasa isan’andro ary ny ambiny miantoka ny  fahadiovan’ny tànana. Mba hampandeha tsara ny asan’ireo olona ireo dia nozaraina akanjo fitondra miasa miisa 350 sy aron’akanjo 600 ary solosaina 10 ireo mpamafa làlana. Araka ny fanambaran’ny talen’ny fahadiovana eto an-drenivohitra, Ramanamihaja Fanilo, mahatratra 4 taonina isan’andro ny fako esorina manodidina eo Analakely sy Behoririka fotsiny. Harona plastika ny 75 isan-jaton’ireo fako ireo. Ny olana dia tsy miraharaha fahadiovana ny olona ka sarotra ny fanabeazana ny mponina amin’ny resaka fahadiovana. Manana olana goavana amin’ny tsy fisian’ny vola ampiasaina ny kaominina satria tsy misy mpanampy fa saika mianto-tena amin’ny tetikasa rehetra. « Na misy ny vola, na tsy misy dia miezaka foana ny kaominina manadio ny tanàna mba ahafahana mampiseho amin’ny ny mponina fa vonona ny hiasa hatrany ny mpitantana », hoy hatrany ny talen’ny fahadiovana eto an-drenivohitra.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre