Vous êtes ici :

Vendredi 10 Janvier 2025

ombre

Zazavavy naolan-drainy – Amboamboarin’ny polisy ny raharaha

Tsy misy mangirana ny momba ilay raharaha fanolanana zazavavy kely 3 taona tany Mahajanga. Ity farany dia voalaza fa ny rainy ihany no nahavita nanimba azy. Nambaran’ny fianakavianan’ilay zaza fa toa amoramorain’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ny raharaha mikasika fanolanana ity. Fantatra fa efa fanindroany izao no nosamborina ilay ray nahavanon-doza io, satria afaka nandositra tamin’ny fisamborana azy voalohany. Voalaza fa samy manana fianakaviana polisy ny havan’ilay ray mpanolana sy ny renin’ilay zaza ka samy miaro ny havany izy ireo. Noraisin’ny mpikaroka fandikan-dalàna, eny Mangarivotra an-tànana ny raharaha, noho izany.

Tsy fantatra ny fotoana nitrangan’ny fanolanana satria miasa ny renin’ity zaza ity ka ny nenitoany no miambina  azy. Nisy fotoana nahatsikaritra ilay rahavavin-dreny fa misy fofona masiso ilay zaza, ka rehefa nojerena dia misy nana ny fivaviany. Nentina nozahana teny amin’ny dokotera izy ka teo vao fantatra fa nisy nanimba. Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nilaza fa ny rainy ihany no nanao io asa ratsy io ka teo vao nametraka fitoriana teny amin’ny  izy mpikaroka fandikan-dalàna momba ny heloka mamoafady atao amin’ny zaza tsy ampy taona izy ireo.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre