Vous êtes ici :

Vendredi 10 Janvier 2025

ombre

Hadalana – Marary saina ny ampahefatry ny malagasy

Misy karazany maro ny aretin-tsaina ary mitombo isa hatrany ireo olona voan’izy io. Raha arivo isan-taona ny olona raisina eny amin’ny toeram-pitsaboana manana aretin-tsaina eny Analakely dia mitombo 500 eo izany isan-taona, araka ny fanambaran’ny profesora Rajaonarison Bertille Hortense, lehiben’ny sampam-pitsaboanan’ny marary saina eto Antananarivo.

Ireo tanora eo amin’ny 15 hatramin’ny 25 taona tsy mbola manambady ary ny mpianatra no tena voan’io aretin-tsaina io. Mahatratra 24,39% ny tahan’ny olona marary saina eto Madagasikara ankehitriny raha 14,83% tamin’ny taona 2011.

Aretina ny hadalana ary tsaboina sahala fa ny maha-samy hafa azy amin’ny aretina ara-batana dia ny fitsabona ara-tsaina izay tsy vitan’ny fihinanana fanafody na tsindrona ihany fa mila fandraisana an-tanana izay mivoy ny kolontsaina sy ny finoan’ilay olona tsaboina.

Ankoatran’ny olana ara-bola izay sendrain’ireo manana havana marary dia manahirana, ihany koa, ny tsy fahampian’ny mpitsabo manam-pahazaina manokana ho an’ny marary saina eto Madagasikara sy ny tsy fahampian’ny tobim-pahasalamana mandray azy ireny. Miisa 12 izy ireo ary 4 kosa ny toby fandraisana an-tanana ireo olon lasa adala. Notanterahina tao amin’ ny lapan’ny tanàna Analakely omaly ny kaongresy voalohany izay nokarakarain’ny ao amin’ny sampana miadidy ny fahasalamana ara-tsaina.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre