Vous êtes ici :

Samedi 16 Novembre 2024

ombre

Be fihetsiketsehana !

Nivaly iny ny fanadinana bakalorea na dia teo aza ny sakan-tsakana sy ny fampihorohoroana ara-môraly nataon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny ambaratonga ambony (Seces). Nahavita niteny mihitsy ny mpitarika ny Seces Antananarivo fa tsy hisy ny fanadinana bakalorea ary na hisy aza dia tsy handray ireo mpianatra afaka eo ny oniversite. Tsy tanteraka aloha ny fampitahorana voalohany nataon’ireo mpampianatra fa ny manaraka no andrasana. Tsy nahavita na inona na inona tamin’ny fanakanana ny fanadinana mantsy ny Seces ary vita soa aman-tsara ny bakalorea. Ho hita eo hoe hatraiza ny fetran’ny fahasahian’ireto mpampianatra ireto raha tena hahavita hanakana ny tanora tsy hiditra eny amin’ny oniversitem-panjakana tokoa izy ireo.

Anisan’ny malaza ratsy amin’ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampitondrana ny oniversite eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo. Tsy zava-baovao eny Ankatso ny korontan-dava, sy kolikoly, ary fanararaotana ara-nofo. Firifiry ny  mpianatra vehivavy no afaka mijoro vavolombelona fa tadiavin’ireo anti-dahy mpampianatra ahodikodina raha tsy izany dia tsy mifindra kilasy na ihany koa tsy afaka manao fanohanana vokam-pikarohana. Ankoatra zany dia mbola iharan’ny tsindry hazolena avy amin’ireo madama ihany koa ny tanora vavy mpianatra eny Ankatso. Santionany izany ary tena zava-misy saingy vitsy no sahy mitory eny amin’ny fitsarana satria te hahazo diplaoma.

Tsizarizary anefa ny fampianarana eny Ankatso nohon’ny fahanteran’ny praograma izay tsy mifanandrify akory amin’ny zava-misy takian’ny tsenan’ny asa sy ny tontolon’ny asa fampandrosoana. Tsy mahagaga raha tsy mahita asa mifanaraka amin’ny fianarana nataony sy ny diplaoma eny am-pelatanany ny ankamaroan’ny mpianatr’Ankatso rehefa mahavita fianarana. Ireo mpianatra nivoaka teny amin’ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny Fanjakana na eny Ankatso ihany fa mandoa saram-pianarana no mora mahita asa kokoa satria hafa ny zavatra nampianarina azy ireo. Ny mahagaga anefa dia mpampianatra eny Ankatso ary mpikambana ao amin’ny Seces avokoa no mampianatra amin’ireny sekoly ambony mandoa saram-pianarana ireny. Izany hoe praograma samy hafa mihitsy no ampianarin’izy ireo eny amin’ny oniversitem-panjakana sy ny eny amin’ny oniversite tsy miankina.

Mahazo tombony kokoa ireo mandoa saram-pianarana satria sady tsy mba migrevy ireo mpampianatra no manome ny fahalalana tena mifanandrify amin’ny tsenan’ny asa. Atao sorona sy fakana traikefa fotsiny ny tanora malagasy mianatra amin’ny oniversitem-panjakana ary lasa fitaovana politika hakana tombon-tsoa. Sorona satria niaraha-nahita ireny nahazo an’i Jean Pierre ireny. Voadaroka sy nohitsakitsahina tanteraka ny zo maha-olona azy nohon’ny hetsika nataony ka ny grevin’ny Seces no nahatonga izany. Izao anefa tsy nahazo valiny mahafa-po akory ireo mpampianatra mpikaroka dia niverina nampianatra indray. Izany hoe fihetsiketsehana sy fandaniana andro fotsiny no natao tamin’ny fampiatona ny fampianarana teo. Tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra rahateo koa angamba mba nanararaotra nandeha niala sasatra ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny Seces.

Ho hita eo indray izay gafigafy sy fampihorohoroana hahazo ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo ka mikasa ny hiditra taona voalohany eny amin’ny oniversitem-panjakana. Ankoatra ny saram-pisoratana anarana izay tena midangana tanteraka dia inoana fa hisy zavatra hafa natao hanakanana ny tanora tsy ho tafiditra eny Ankatso. Heverin’ny Seces fa azy ireo mihitsy io oniversite io ka izay tiany hanaovana azy. Tsy izany anefa ny toe-tsaina entina hampandroso ity firenena ity. Mety manam-pahaizana ireo mpampianatra mpikaroka nefa toa tsy misy ilana azy ireo mihitsy amin’ny resaka fampandrosoana eto Madagasikara. Malaza tsy hihinanana toa lovian-tsahona fotsiny fa tsy hita izay tena fandraisana anjara amin’ny fanarenana ny firenena. Toa vao maika aza izy ireo indray no manome maodely ratsy ho an’ireo tanora miezaka ny hisondrotra. Tsy mahagaga raha ireo tsy haninon-tsy haninona fa mpitarika korontana teny Ankatso fotsiny no lasa mameno ny toeran’ny kabinetran’ireo minisitra mpikambana amin’ny governemanta ankehitriny. Be fihetsiketsehana avokoa fa samy tsy haninon-tsy rehefa hampandroso ny firenena.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre