Vous êtes ici :

Samedi 16 Novembre 2024

ombre

Mamo dia niady – Tataky ny tavoahangy ny tarehin’ilay tovolahy

Niara-nisotro toaka tamin’ny namany ny tovolahy iray ka raikitra ny ady teo amin’izy ireo rehefa samy mamo.  Rehefa hitan’ny iray tamin’ireo niady fa ho resy izy dia naka tavoahangy ka novelesiny ilay nifanandrina taminy ka fanina nidaraboka tamin’ny tany. Mbola nalain’ilay namely indray avy eo ny vaki-tavoahangy ka notatahiny tamin’iny ny tarehin’ilay tovolahy namany ka rovitra. Tataka be manomboka eo amin’ny sofiny ka hatreny amin’ny tendany, hoy ny loharanom-baovao.

Nentina haingana tany amin’ny hopitaly ilay tovolahy ary raha tara kely dia maty nohon’ny fahaverezan’ny ra tafahoatra, araka ny filazan’ny mpitsabo nandray azy. Efa notapenana ny ratra ary nozairina nefa tsy nety nijanonana ny ra. Ny sabotsy alina teo no nitrangan’izany tao Ambatomaro

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre