Vous êtes ici :

Samedi 16 Novembre 2024

ombre

Sprinter nifandona – Olona 17 indray naratra, 2 tsy mahatsiaro tena

Taksibe roa marika Sprinter, samy nandeha mafy, no nifandona teny amin’ny lalana digy tao Andohatapenaka, ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Ny iray mampitohy ny renivohitra an’Ambohitrimanjaka ary ny iray an’Ivato. Saika hisongona ny fiara teo alohany ilay taksibe mampitohy an’Ambohitrimanjaka no nifatratra tamin’ilay taksiben’Ivato, nifanena taminy. Niezaka niala ihany iry voalohany saingy tsy azo nihodivirana  ny fifandonana. Niafara tamin’ny fivadihan’ilay fiara iray izany. Mpandeha miisa sivy no indray naratra, ary ny roa tena voa mafy tamin’ity loza ity. Nentina namonjy toeram-pitsaboana avy hatrany izy ireo ary mbola tazomina ao amin’ny sampam-pameloman’aina ireo roa voa mafy ireo.

Ny andron’io sabotsy io ihany, dia taksiborosy amin’ny zotra nasionaly iray, izay mbola marika Sprinter ihany, no nitrosona sy naharatrana olona maromaro tany amin’ny lalam-pirenena Rn7, tokony ho tamin’ny 1 ora atoandro. Raha ny fanambaran’ny zandary misahana ny fifamoivoizana, tao Behenjy, dia hitodi-doha ho any Antananarivo ity fiara ity io namoa-doza io, ary nisongona kamiao no nahatonga izany. Nilatsaka tamin’ny sisin’arabe anefa ilay fiara ka vaky ny kodiarana izay nitarika ny fivadiahany. Mpandeha valo no naratra.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre