Fanomezan-tanana ny mponina – Nohavaozina ny ivon-toeranan’ny zaza kamboty
Amin’ny maha-orinasa ny Dhl dia manana andraikitra amin’ny fiaraha-monina izy ary ho tohin’ny asa efa natao tao amin’ny ivon-toeram-pitaizana zaza kamboty ao amin’ny « Étoile du Matin » ao Ambohitrimanjaka dia niverina tao an-toerana indray izy ireo, omaly alahady 20 septambra, nitondra fanavaozana an’izany toerana izany.
Io hetsika io, izay efa antom-pisian’ny orinasa Dhl manerana izao tontolo izao, dia hanokanana andro iray ao anatin’ny taona mba hifanomezan-tanana amin’ny mpiara-monina, ka nisafidiana ny Étoile du Matin. Mpiasa miisa valopolo eo ho eo no tonga teny an-toerana nandoko ny efitrano filalaovan’ireo ankizy sy ny efitrano fisakafoanana. « Efa ny taona 1955 no niforona ny Étoile du Matin. Kamboty avokoa ny ankabeazan’izy ireo,nefa misy ihany koa ireo zaza tsy manam-piahy. Ankizy miisa 32 manomboka ny 2 taona sy tapany ka hatramin’ny 20 taona no taizaina ato ary efa an’arivony ny ankizy navoakan’ny ivon-toerana hatreto », hoy i Voanio Rajoelison mpandrindra ny Étoile du Matin.
« Rehefa manao zavatra amin’ny fiaraha-monina izahay dia ny ankizy foana no kendrena satria izy ireo no ho avin’ny firenena. Manana zo hitovy amin’ny rehetra ihany koa izy ireo na aiza na aiza no misy azy ka izay no nahatonga anay hitondra ny anjara adidinay amin’ireo ankizy ireo », hoy ny solontenan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Dhl.
Laurena Nany