Vous êtes ici :

Vendredi 15 Novembre 2024

ombre

Saika hangalatra kitay – Tapatapaka voavelin’ny « bois rond » ilay tovolahy

Mitohy ny fampihorohoroana olona amin’ny vely « bois rond » eto an-drenivohitra. Raha ny mpandeha an-tongotra sy ny mpitondra môtô no tena lasibatr’izany teo aloha dia fantatra fa tonga hatrany an-tokan-trano ity herisetra ity amin’izao fotoana izao. Jiolahy iray nitondra « bois rond » no naratra mafy voavelin’ny hazo be nentiny  teny Soanierana, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Niditra teo an-tokontanin’ny olona mpivarotra kitay io lehilahy io no tratran’ny tompon-tanàna niaraka tamin’ny hazo izay noheveriny fa anisan’ireo entana amidiny. Nosontomin’ilay tompon-tanàna teny an-tanan’ilay jiolahy ilay « bois rond » ary novelesiny ity farany. Tapaka noho izany ny sandrin’ilay jiolahy havanana sy ny lanton-tsandriny ary ny tongony. Niditra hopitaly avy hatrany io jiolahy io ary nilaza ny tsy hanaiky moramora fa hendrikendrika fotsiny izao mahazo azy izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre