Ifaty – Pelaka gasy sy vazaha tratra niray teo amoron-dranomasina
Tsy menatra intsony ny tovolahy sasany ankehitriny sy ireo sarim-bavy ao Toliara fa lasa mivaro-tena. Mahery ny vola, « kere ty ndaty », hoy ireo olona nahita ny lehilahy roa niray teny amin’ny tora-pasik’Ifaty any Toliara, ny harivan’ny sabotsy teo.
Lehilahy teratany vahiny ny iray ary sarim-bavy malagasy kosa ny faharoa. Nihorakoraka ireo olona vao nahita azy ireo nanao io fihetsika mamoafady io. Nisy ihany koa ireo tezitra tamin’ity fomba mamohehitra sady maniratsira ny kolontsaina malagasy ity. Saika novonoin’ny olona izy roalahy ka nandositra tamin’ny môtô kodiarana efatra na « quad ». Raha ny tovovavy foana hatramin’izay o malaza ho miaraka amin’ireo vahiny nohon’ny vola dia hita amin’izao fa hatramin’ireo zazalahy ihany koa dia roboka amin’ny fivarotan-tena.
Tsy any ivelany ihany fa hita koa amin’izao fotoana izao fa manomboka miha-mahazo vahana ny fiarahan’ny lahy sy ny lahy eto Madagasikara. Marobe izy ireo eto Antananarivo ary misy fanaovana Karaoke iray eny Antanimena efa tena malaza ratsy ho toerana fivorian’ireo sarim-bavy. Misy amin’ireo mpividy ireny sarim-bavy ireny no mpitondra Fanjakana ambony hoy ireo pelaka.
Laurena Nany