Vous êtes ici :

Jeudi 19 Septembre 2024

ombre

Delestazy lavareny – Vokatry ny fitsabahan’ny pôlitika amin’ny JIRAMA

Leo delestazy, tsy ny eto Antananarivo ihany fa saika manerana an’I Madagasikara no tofoka ny mponina. Misy maharitra ora 6 na mahery be izao aza ny fahatapahan’ny jiro. Mandritra ny tontolo andro kosa ny fahatapahan’ny rano ho an’ny faritra sasany. Potika ny fiharin-karena. Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana. Mitombo ny hasosorana. Nampanantena ny fitondrana fa ao anatin’ny iray volana dia ho voavaha ny olana. Raha tsy ny any amin’ny fotony anefa no voavaha ny olana dia hipetraka hatrany raha tsy hoe angaha hiditra amin’ny fivarotana ny Jirama ny fitondrana.

Misy itovizany betsaka  amin’ny olan’ireo orinasam-panjakana rehetra tahaka ny Air Madagascar ny nahatonga ny fitontongan’ny Jirama. Mitsabaka lalina loatra ao anatin’ny asan’ny teknisiana ny mpitondra politika, mametraka mpanolontsaina tsy mahafehy ny sehatra iasany nefa manindry amin’ny tsy maintsy hanatanterahana ny baikony. Ampiasana hanamoretana ny teknisiana amin’izany ny teny hoe “baiko avy any amin’ny prezidansa”. Mampiasa io teny io avokoa ireo tompon’andraikitra tsy te hiady hevitra amin’izay baiko omeny” hoy ny fanazavana netin’ny teknisiana eo anivon’ity orinasa ity. Vokatr’ireny baiko midina rehetra ireny, saika lasan’ireo tsy miankina avokoa ny famokarana ny herinaratra. “Saika hiarovana ny bizina fanaon’ireo tompon’andraikitra ambony ihany koa io teny baiko avy any amin’ny prezidansa io” hoy ihany ny fanazavana.

 

Harena mihoampampana

Miharatsy hatrany ny toe-bolan’ny Jirama fa etsy andaniny kosa misy amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity orinasa ity no manana harena mihoampampana, izay tsy ho voamarin’ny karamany mihitsy. “Avy amin’ny alalan’ny fanatobahana gropin’ireo orinasa tsy miankina manerana an’I Madagasikara no nahazoan’ny sasany amin’izy ireo izany harena be izany. Misy amin’ireo tompon’andraikitra ireo no nahatsangana tranobe miezinezina 2 tamin’ity taona ity ary efa  eo ampananganana ny fahatelo ankehitriny. Milaza ho tsara mpiaro na eo anivon’ny mpitondra ambony na any amin’ireo orinasa mpamatsy gropy io olona io” hoy ny fanazavana nentin’ity mpiasan’ny Jirama ity izay nisafidy ny tsy hitonona anarana.

Mahagaga fa efa am-bolana maro no niaka-nidina teny @ Bianco ireo tompon’andraikitra ambony maromaro ao amin’ny Jirama na ny taloha na ny ankehitriny, ary efa mandeha eny amin’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ny raharaha nefa sady tsy mandray andraikitra ny mpitondra fanjakàna amin’ny famahàna ifotony ny olan’ny Jirama no mbola tsy mandray fepetra ihany koa amin’ireo mpitantana izay efa mandalo fitsaràna ankehintriny.

“Fanampin’izay, mahatsikaritra izahay teknisiana fa hasarotina ny olan’ny délestazy. Ampiadiana  amin’ny mpanjifa ny mpiasa amin’izay ireto farany miandrandra “privatisation”” hoy ihany ny fanazavana azo. Raha ny marina anefa, ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny volan’ireo tsy miankina manofa gropy no mahatonga ny fahatapahan’ny jiro. “Raha mbola mitohy ny fitsabahan’ny pôlitika amin’ny orinasa, mbola hitombo hatrany ny delestazy any aoriana” hoy ihany ity mpiasan’ny Jirama ity.

Avadika ho orinasam-pirenena

Ny vahaolana dia tsisy afa-tsy ny fanadiovana ny tontolon’ny sehatra angovo. Fanalana ny fitsabahan’ny pôlitika amin’ny fitantanana ny orinasa. Izay olona manana antontan-taratasy eny amin’ny  Bianco sy ny Fitsaràna ka tsy voaporofo ny fahadiovany dia tokony esorina tsisy hatak’andro.  Raha ny hevitr’ireto teknisiana ireto izay nilaza fa tsy lany manam-pahaizana sy olona manam-pahendrena ao anatin’ny JIRAMA sy io sehatra io, fa ny fahefàna omena ireo olom-bitsy sy ny fifampiarovan’izy ireo amin’ny  ratsy no mahatonga io orinasa io hitotongana toy izao.

Milaza ihany koa ireto teknisiana ireto fa  tokony hatao  orinasam-pirenena (Sociéte Nationale) ny Jirama fa tsy atao orinasam-panjakàna (Société d’Etat)  ka hanao ny danin’ny kibony ny mpitondra mifandimby rehetra ary hamotika tanteraka ny orinasa sy ny patrimoine izay an’ny Malagasy rehetra.

Avelao ny  tompon’andraikitra tena manana ny fahaiza-manao, manana ny traikefa amin’ny  sehatra iasàny, indrindra matihanina ao amin’ny  Jirama  hanao ny asany ao anatin’ny mangarahara sy ny mari-drefy ahafahana manao ny tomban’ezaka vita” hoy izy ireo namarana ny teniny.

FR

 

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre