Vous êtes ici :

Dimanche 05 Janvier 2025

ombre

Bakalorea Toliara – 25,21% fotsiny ny taham-pahafahana sokajy A2

Nivoaka omaly tamin’ny 4 ora maraina ny voka-panadinana bakalorea tao Toliara. Nahatratra 27,77% ny taham-pahafahana, ka ambony indrindra tamin’izany ny sokajy C 50,60% arahin’ny sokajy A1 (46,09%). Ny sokajy A2 (25,21%), ny sokajy D (29,23%), ary ny teknika kosa 52,09%, ka ny sampana TMA no nahazo taham-pahafahana ambony indrindra 79,17%. Niisa 13 778 ny mpiadina nanatanteraka ny bakalorea tany anatin’ny faritanin’i Toliara izay nitsinjara tamina toeram-panadinana miisa 19.

 

Hentitra ny fanaraha-maso

« Tara ny fivoahan’ny voka-panadinana tamin’ity taona ity, satria hentitra ny fanaraha-maso mba hiadiana amin’ny kolikoly sy hisian’ny mangaraharaha tanteraka », hoy ny filohan’ny oniversiten’i Toliara, Pr Dina Alphonse. Ratsy ihany koa, hoy izy, ny taham-pahafahana bakalorea 2015, raha oharina tamin’ny taon-dasa (43,04%). Izany hoe : latsaka 15,27% be izao. Antony maro no mahatonga izany. Eo ny tsy fahampian’ny mpampianatra sy ny faharatsian’ireo fotodrafitrasam-pampianarana, satria mbola misy mpianatra amina lycée sasany miladina an-tany (tsy misy tabilio). Eo ihany koa ny « discipline » goragora ka misy fiantraikan’ny ratsy amin’ny voka-panadinana.

Eric Toliara

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre