Vous êtes ici :

Mardi 07 Janvier 2025

ombre

Fiofanana kabary tselatra – Natao ho an’ireo sahiran-dava

Fanehoana ny soatoavina malagasy ny fahazaina mikabary eo anivon’ny fiaraha-monina sy amin’ny asa aman-draharaha isan-tsokajiny ary amin’ny adidy aman’andraikitra izay atao. Ilaina ny kabary satria anisan’ny sakana tsy hahafahana mampandroso zavatra atao ny tsy fahazaina azy. Mba ho fanampiana ireo manana tahotra sy miahotra amin’ny fandraisana fitenenana dia misy ny « fiofanana kabary tselatra » izay karakarain’ny fikambanana mpikabary malagasy, indrindra fa ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na Ikm izay miara-miasa amin’ny Fi.mpi.ma.

Natao ho an’ny rehetra ihany koa ny fiofanana na mpianatra, na olon-tsotra na mpiara miasa, mpitondra orinasa, izay manana andraikitra eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina, ny firenena nefa tsy manam-potoana. Ny tanjona amin’ity fiofanana ity dia miaro sy manolotra ny oham-pitenanana amin’ny alalan’ny kabary. Hisy loha-hevitra maro azon’ny tsirairay hianarana amin’izany, araka ny ora sy ny mpampianatra sy izay safidin’ny tsirairay. Hanomboka ny 5 oktobra hatramin’ny 18 desambra 2015 izany.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre