Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Loza mitatao ny fitaterana!

Nifanesy, tato ho ato, ny lozam-pifamoivoizana izay namoizana ain’olona hatrany. Teny amin’ny lalam-pirenena no betsaka indrindra ary ireo fiara fitaterana no tena tompon’antoka amin’izany. Tsy vao sambany no nisian’ny toy izao saingy tamin’ity dia natetika loatra. Manaporofo ny zava-misy fa tsy matihanina ny mpitatitra an-tanety eto Madagasikara. Vokatry ny tsy fitandremana, ny fandehanana mafy, ny olana ara-teknika ary ny fitavozavozan’ny mpamily no mahatonga ireny loza maro ireny.

Ny mpandeha hatrany, izay sady nandoa vola no lasibatra amin’ny tranga toy izao, no miharitra ny loza. Ny mpamily na ho faty any aza sitra-po sy hadalana ny azy. Hadalana satria mihevi-tena ho mpanamory fiarakodia mpanao fifaninana hafainganam-pandeha ireo mpamily amin’ny zotra nasionaly ka mifenjika sy tsy mahatsiaro intsony fa miasa sy karamaina. Tsy homan-kanina ireny mpitatitra ireny raha tsy eo ny mpandeha nefa tena sahy milalao ny ain’ireto farany. Be vava sy midingin-drambo ireo kaoperativa rehefa manasazy ireo mpitatitra ny zandary nefa tena maro ny tsy manara-dalàna . Mailaka tanteraka ihany koa ireo mpitatitra rehefa hanondrotra saran-dalana nefa ny kalitaon’ny tolotra omen’izy ireo tena aotra raha asiana naoty.

Miverina hatrany ny olan’ny fitaterana dia ny toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany ananan’ny mpamily sasany. Tsy ny rehetra akory, sanatria, saingy hita kosa fa maro ireo olona tena tsy mendrika ny hitondra fiara fitaterana eto amintsika. Jiolahim-boto sy badolahy tany am-pianarana izy ireny ka tsy mahay mampiasa saina hanaovana asa hafa. Ny asa familiana no mora atao indrindra sady, ihany koa, tsy mampiasa saina ka mirohotra any avokoa ny fakofakon’olona rehetra. Mila mandray andraikitra, noho izany, ireo kaoperativa sy ny tompon’ny fiara mba hametraka sivana faran’izay sarotra amin’ny fifantenana ireo mpamily. Ain’olona no iantohan’izy ireo ary vola tsy hita pesipesenina ihany koa ny fatiantoka rehefa mitera-doza ny fiara iray. Nahitsy ny tenin’ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny minisiteran’ny fitaterana raha nanamarika fa mandoa vola ny olona mandeha fiara fitaterana nefa ho vonoin’ny mpamily eny an-dalana  fa tsy ho tonga any amin’ny toerana haleha akory.

Mila mametraka lalàna henjana amin’ny fanasaziana, ihany koa, ny fitondram-panjakana mba hamaizana ireo mpamily rehetra mitera-doza ho an’ny fiaraha-monina. Anisan’ny antony iray mahafaty olona betsaka indrindra eto Madagasikara isan-taona mantsy ny lozam-pifamoivoizana. Tsy itakiana diplaoma na marim-pahaizana hafa rahateo ny fahazoan-dalana mamily fiara ka izay rehetra mandoa kolikoly any amin’ny sampana fanaovana fanadinana hahazoana “permis” dia afaka avokoa.

Loza mitatao ho an’ny fiaraha-monina ity resaka fitaterana an-tanety ity ka mila vahaolana maika sy mahomby. Mampiaka-pofona hatrany ireo mpitatitra rehefa hitady tombon-tsoa toy ny fanonerana ny vidin-dasantsy sy ny fampiakarana ny saran-dalana nefa ny fanatsarana ny asa ataon’izy ireo tsy misy mihitsy. Lasa katsentitra ho an’ny vahoaka malagasy sisa ny asa fitaterana satria sady mitaky volabe nefa mbola mamono olona, ihany koa.

Fampiasam-bola mahomby ho an’ny olon-tsotra ny firotsahana eo amin’ny sehatry ny fitaterana satria sady tsy ilana fampiasan-tsaina no tsy mandany fotoana ihany koa. Izany hoe sehatra iray tena miroborobo ary mbola afaka miroborobo saingy miha ratsy endrika nohon’ny gaboraraka ataon’ireo mpamily sasany.

Misy ihany koa ireo mpikambana amin’ny kaoperativa no mitady hanao am-pihimamba ny asa fitaterana ka manakana ireo olom-baovao te hirotsaka hampiasa vola sy hitondra fanatsarana eo amin’ity sehatra ity. Ny fametrahana fifaninanana madio sy mazava anefa dia efa fomba iray hahafahana manatsara ny kalitaon’ny asa fitaterana. Tsy maintsy hiditra fatiantoka mantsy ireo fiara ratsy kojakoja satria tsy hisy mpandeha intsony rehefa maro ny fiara vaovao miasa. Ny fiara vaovao rahateo dia manome antoka bebe kokoa ny tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana nohon’ny olana ara-teknika.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre