Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Lozam-pifamoivoizana – Fiara nitondra mpianakavy saika latsaka tany anaty hantsana

Soa fa mba tafajanona tamin’ny segondra farany ny fiara R11 fa raha tsy izany dia mety efa lasan-ko razana avokoa izy mianakavy. Hanatrika fampiakaram-bady tao Antogona Imerintsiatosika izy ireo, ny sabotsy teo, no niseho ny loza. Nanaraka filaharan’ny fiara na « cortège » saingy tsy tafakatra fiakarana nohon’ny vesatra noentiny ka voatery nihemotra mba haka bahana. Ny mpandeha iray nipetraka tao aoriana, izay sendra nitodika, no nahita ny rambon’ny fiara izay efa saika lasa tany anaty hantsana vao nikoropaka avokoa ny rehetra.

Tena divin-janahary no tsy nahafaty ireto mpianaka ireto. Tsy vao sambany no nisy fiara saika latsaka tao amin’io hantsana io. Efa nisy mihitsy aza ireo fiara vaventy sy sarety no efa nivarina tao, araka ny fanambaran’ny mponina tany an-toerana. Ratsy dia ratsy ilay làlana ka mahatonga ny lozam-pifamoivoizana amin’izany toerana izany.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre