Vous êtes ici :

Samedi 11 Janvier 2025

ombre

Tratran’ny sipany nampiaraka – Tovolahy vaky loha voavely tavoahangy

Tovolahy iray no vaky loha naratra mafy novelesin’ny sipany tamina tavoahangy labiera, afak’omaly tao 67 ha. Raha ny fanazavana dia tratran’ilay tovovavy tao anaty toeram-pisotroana toaka ny sakaizany, nifamihina sy nifanoroka tamina vehivavy hafa. Tsy nahatsindry fo ilay tovovavy sady nahatsiaro tena ho voafitaka ka niakatr’afo. Raikitra ny ady teo amin’izy roa ary namely ny olon-tiany tamin’ny tavoahangy izay teo ambony latabatra nisy ny sakaizany kosa ilay tovovavy.

Vaky ra ny lohan’ilay tovolahy ary lasa nitsoaka nanavotr’aina kosa ilay tovovavy nampiaraka taminy. Efa ela no nandeha ny feo fa mampirafy ny sakaizany, ary misy mahita hatrany izy mampiaraka amin’io zazavavy io kanefa tsy nino izany. Tamin’io andro io izany vao nitranga ny nafenina hatrizay. Nisy nampandre azy avy hatrany mantsy vao nahita io olon-tiany io tao anatin’ilay toeram-pisotroana ka nidina tao an-toerana avy hatrany ilay tovovavy nijery izany. Efa manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly kosa ilay tovolahy amin’izao fotoana izao.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre