Ambatovy – Mpitandro filaminana nangalatra kodiarana
Tratra tany Toamasina ny kodiarana lehibe miisa roa fampiasa amin’ny fiara vaventy an’ny orinasa Ambatovy. Nisy olona saron’ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ireo fitaovana ireo ary nibaradaka rehefa natao famotorana. Nilaza ireo mpangalatra tratra fa misy mpitandro filaminana miray petsapetsa amin’izy ireo amin’ity halatra ity. Mikatso anefa ny raharaha satria tsy mety manatona ny mpanao fanadihadiana ireo mpitandro filaminana voarohiroy na dia efa nahazo fampiantsoana aza.
Manala-baraka ny polisy sy miaramila ary zandary mihitsy ankehitriny ny fisian’ny olon-dratsy tafiditra ao amin’izy ireo. Ny fandoto iray tandroka indray no lasa manaratsy endrika ny fandio iray siny ka mampitombo ny tsy fahatokisan’ny vahoaka. Tsy ny mpitandro filaminana rehetra sanatria no mpanao izany ary efa miezaka amin’ny fanadiovana ny tompon’andraikitra saingy mbola misy hatrany ireo manondrana. Sarotra rahateo ny fanenjehana ireo mihoa-pefy satria samy mpiara-miasa izao no voatery hifampisambotra. Lasa miteraka disadisa eo amin’ny polisy sy zandary ary miaramila izany satria samy te hiaro ny namany. Sahirana ihany koa ny fitsarana manoloana ny tranga maha voarohiroy mpitandro filaminana toy izao.
Radôm