Vous êtes ici :

Samedi 30 Novembre 2024

ombre

Fikambanana THM – Nizara fitaovana ho an’ny zaza sahirana

Omaly no nidina teny amin’ ny toerana fitaizana zaza sahirana “Manasoa Zaza” eny Andohatapenaka ny fikambanana Tanora hampandroso an’i Madagasikara (THM), nizara fitaovam-pianarana. Ankoatra io dia nanadio sy nandoko ny efitrano fianaran’ireo zazakely ny fikambanana. Ny fijerena zavatra hampandroso io toerana io no nahatonga ny THM nanome izao fitaovana iizao, izay fiaraha-miasa amin’ny faritra Andohatapenaka. « Ny 18 mars 2015 no nitsangana ny fikambanana THM. Notsongaina manokana nitondrana fanampiana ity toerana fitaizana zaza ity satria hita fa tena mila izany ny ray aman-drenin’ireo zaza izay tena marefo amin’ny fidiram-bola, indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao », araka ny fanazavana nentin’i Nambinina Tahiry Razafimanana, filohan’ny fikambanana. Tsy hijanona eo ny asan’ny fikambanana fa mbola hitohy amin’ny fijerena ny zavatra manahirana ny olona amin’ny toerana iray.

Zazakely manomboka amin’ ny 2 taona sy tapany hatramin’ny 4 taona eo no taizana ao amin’ny “Manasoa Zaza” eny Andohatapenaka ary miisa 70 eo ho eo no ao. “ Ireo zaza kamboty, nilaozan-dray aman-dreny ary manana fianakaviana sahirana no raisina. Efa nanomboka tamin’ny taona 1990 no nitsangana ny toerana fitaizana zaza sahirana, izay miara-miasa amin’ny fokontany miisa 6 ; ao anatin’izany ny fokontany Andohatapenaka telo, Anosimasina, Ankasina ary Ambodirano Ampefiloha. Tanjona ny hananan’ireo ray aman-dreny asa am-pilaminana any amin’ireo toerana hiasany any. Tsy mijanona amin’ny fitaizana ireo zaza ihany izahay fa manomana ireo ankizy ho any an-tsekoly ihany koa”, araka ny fanazavan-dRakoto Joselinah, tompon’andraikitra ao amin’ny “Manasoa Zaza”.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre