Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Vodimanga nianjera – Tovolahy iray maty tsy tra-drano

Lehilahy iray manodidina ny 35 taona no maty, tsy nialana nenina,  nianjeran’ny vodimanga efa maina tao amin’ny kaominina Farahalana, any amin’ny distrikan’i Sambava, ny alatsinainy tamin’ny 11 ora tany ho any. Rangahy iray 60 taona kosa tapa-tanana tamin’izany loza izany ary mbola tsaboina eny amin’ny hopitaly any an-toerana. Toy ny efa fanaon’izy ireo rehefa mafana ny andro dia mialokaloka eo ambanin’izany vody hazo izany izy ireo. Kanjo nianjera tampoka izany, ary tsy nampoizin’izy ireo mihitsy. Niala hatramin’ny fakany ilay hazo raha ny vaovao voaray avy any an-toerana. Betsaka izy ireo no nipetraka teo ambanin’izany  vodimanga izany, saingy tafatsoaka avokoa ny ambiny fa ity tovolahy ity irery no voatsindry tao. Manoloana ity voina ity, nisy ny fanentanana nataon’ny tompon’andraikitra mba hanapahana ireo hazo boboka rehetra mba tsy hisian’ny loza tahaka izao intsony.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre