Mpandrehitra afo !
Niseho indray ny fahazain’ny mpitondra Fanjakana mandrehitra afo tamin’ny alalan’ny fanasarotana ny famindram-pahefana eo amin’ireo ben’ny tanàna vao voafidy sy ireo teo aloha. Norarana tsy navela hamindra ny fahefana mantsy ireo mbola amperin’asa satria tsy maintsy miandry ny taratasy fampahafantarana. Kaominina maro no nisedra izany ka niteraka savorovoro tamin’ireo vao lany sy ny handeha hiala io resaka io. Nahagaga ny maro fa ny teto Antananarivo sy ny manodidina no tsy naharay ilay taratasy fampahafantarana fa tokony hanao famindram-pahefana nefa ny tany amin’ny toeran-kafa efa nahazo avokoa. Midika izany fa tena ataon’ity fitondram-panjakana ity ankilabao mihitsy Antananarivo satria tsy mamim-bahoaka izy eto.
Tia korontana sy fifandrirana rahateo ity fitondrana ity satria tsy mandamina ny raharaha raha tsy miafara amin’ny savorovoro hatrany. Ny tena manaitra ny maro dia manala-baraka izay mpiara-dia aminy sy mankatoa azy ny mpitondra foibe. Maro tamin’ireo ben’ny tanàna amperin’asa sy filohan’ny delegasiona manokana mantsy no tsy nanaiky hanao ny famindram-pahefana raha tsy mahazo ny taratasy fampahafantarana izany. Nalain’ireo ben’ny tanàna vao lany baraka anefa izy ireo ka rehefa voahosom-potaka hoe midongy fahefana dia navoakan’ny minisitera ihany ny taratasy fampahafantarana fa tokony handray ny toerany ireo ben’ny tanàna vaovao. Kaominina maro teto Antananarivo no voakasik’io raharaha io ary toa ireo niala tamin’ny toerany saingy niezaka nampiseho ny fanajana ny lalàna hatramin’ny farany indray no afa-baraka.
Ho an’Antananarivo renivohitra dia efa narehitry ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana ny afo eo amin’ny mpitondra sy ny kaominina. Raha ny lojika no jerena dia efa tafiditra ao anatin’ny fifandirana tanteraka ny mpitantana vaovao eo anivon’ny kaominina sy ny Fanjakana foibe. Iaraha-mahalala anefa fa efa manana traikefa amin’ny fanozongozonana sy fandrodanana ny mpitondra fanjakana ny ekipa mitantana ny renivohitra ankehitriny. Misy risika goavana, noho izany, ny hisian’ny hetsika fanaingana ny vahoaka hanohitra ny fitondrana ary hampidaboka azy.
Marefo dia marefo ity Fanjakana ity ary tena maro fahavalo nefa tsy misy mpanohana ka ho mora amin’ny ekipan-dRavalomanana no hanongana azy raha toa ka tsy manaraka ny sitrapony. Mazava ho azy fa ny fakana minisitera izay tiany eo anivoan’ny Governemanta sy ny fanonerana ny fatiantoka nihatra tamin’ny orinasa TIKO ary ny fanafoanana ny hetra rehetra tsy voaloan’ity farany no tambiny tsy hanozongozonany ny fitondram-panjakana mijoro.
Fatiantoka be ho an’ny firenena anefa raha toa hanaiky izany ny mpitondra foibe satria vola tsy hita pesipesenina no tsy maintsy harotsaka maimaim-poana ho an’ny fianakavian-dRavalomanana. Ny Fanjakana anefa sahirana ara-bola ary tsy manana akory ny fomba entina ampandehanana ireo tetikasa rehetra nampanantenaina ny vahoaka.
Izany rehetra izany dia vokatr’ilay fahazarana mandrehitra afo ka na raharaha tokony hilamina aza dia katsahina avokoa izay hanasarotana azy. Tia ady sy tia manjakazaka ny ankamaroan’ireo manam-pahefana nefa tsy mahavita na inona na inona akory rehefa sendra ny be mokon-doha noho izy. Maro be ireo tranga efa niseho teto amintsika afaka manamarina izany toy ny fanagadrana, ny fanendrikendrehana, ny fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny sehatra voakasik’izany.
Manao didiko fehy lehibe hatrany ireo manam-pahefana ary manao teny tsy voahevitra. Mahatezitra ny olona ireny ary mampitatra ny hantsana manasaraka ny vahoaka sy ny mpitondra. Mandrehitra afo hatrany ireto farany nefa avy eo izy ihany no voatery hamono izany afo izany ka afa-baraka sy ataon’ny olona fihomehezana fotsiny sisa.
Mila milamina ity fitondrana ity ary tokony hitady olona mahay mamitram-pihavanana amin’ny vahoaka ny Filoha mba hisian’ny fitoniana ka ahafahany miasa am-pilaminana fa tsy hiatrika krizy sy handamina korontana lava izao.
Ravalo tsy Manana