Antaninandro – Skotera nosokirina tao ambany kamiao
Voadonan’ilay kamiao kely ilay skotera nitondra mpisipa teny Antaninandro. Efa tafasitrika tao ambanin’ny kamiao ilay môtô kely nefa tsy hitan’ilay mpamily akory raha tsy niantsoantso ilay tovolahy nitaingina azy. Nosokirina mihitsy avy eo ilay skotera vao afaka tao ambanin’ilay fiara be. Nampiaka-peo ilay tompon’ny kodiaran-droa ary nanizingizina fa tsy ho vita mora ny raharaha satria nisy fofon-toaka ilay mpitondra kamiao. Raha ny tena marina, anefa, ho an’ireo nanatri-maso ny loza, dia diso kokoa ilay skotera satria nisongona avy any an-kavanana tao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana ary nitsirapaka tampoka teo alohan’ilay kamiao.
Tsy hitan’ilay mpamily izany satria nifanakaiky loatra ka izay no naha-voadona ity skotera. Ny hadisoan’ilay mpitondra kamiao kosa dia izy efa mamomamo ka tsy naheno akory hoe nisy zavatra nidona ary tafasisika tao ambany fiara nentiny.
Nanamafy indray ity tranga iray ity fa tena loza mitatao ho an’ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra ireny skotera ireny satria efa tena lasa fahazaran-dratsy mihitsy ny tsy fanarahan-dalàna na dia olon-dehibe manana taratasy fahazoana mamily môtô izao aza no mitondra azy. Tsy te hahalala izay lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny mpitaingina skotera fa sady misongona an-kavanana no ihany koa manitsaka ny tsipika fotsy tsy azo ihoarana. Tsy mahagaga raha izy ireo no mitana ny zava-bita ratsy indrindra amin’ny fahamaroan’ny lozam-pifamoivoizana.
Radôm