Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Nikasa hanolana ny zanany – Sazy mihantona ihany no azon’ilay raim-pianakaviana

Na dia efa niaiky teo anoloan’ny mpanao famotorana tamin’ny fikasan-dratsy saika hanolana ny zanany vavy kely vao 6 taona monja ilay raim-pianakaviana dia sazy mihantona herintaona ihany no nomen’ny fitsarana azy. Tamin’izany ihany koa no nilazany fa avy nisotro toaka sy nifoka rongony izy tamin’io fotoana io saingy tsy nisy ny fanamelohana nataon’ny fitsarana. Ny fifohana rongony fotsiny anefa dia efa sokajiana ho heloka be vava ary efa ampy hidirana an-tranomaizina fotoana maharitra. Ny fidorohana zava-mahadomelina izay fantatra tsara fa anisan’ny  mampirongotra ny tsy fandriampahalemana.

Raha ny lalàna anefa dia tokony mihatra foana ny sazy na nanolana na saika hanolana ny olona iray. Nanafintohana an’ireo olona nanatrika ny fitsarana an’ity lehilahy ity ny fanapahan-kevitra noraisina manoloana io raharaha io.

Raha ny vaovao voaray dia ny renin’ilay zaza no anisan’ny nahatonga ny fitsarana handray io fanapahan-kevitra io, nony izy nanatsoaka ny fitoriany.

« Mamo aho tamin’io fotoana io ary nisotro sy nifoka rongony. Vao niditra ny trano aho tamin’ny 8 ora alina dia efa nangataka ny hanao firaisana ara-nofo tamiko ny vadiko dia nanaiky izy, vita izay dia mbola nangataka fanindroany ihany koa aho fa saingy tsy nanome izy ary nifindra fandriana ka heveriko mbola izy ilay teo akaiko dia nosafosafoiko ka ny hikiakan’ilay ankizivavy no nanaitra anay rehetra, izaho rahateo mbola mitanjaka », hoy izy. Tsy nihevitra ny hanao an’izany tamin-janako mihitsy aho, hoy hatrany ny fanazavany teo anoloan’ny fitsarana. Sazy mihantona herintaona no nomen’ny fitsarana azy. Izy izay efa nahavita herintaona sy roa volana tao Ambalatavoahangy, any Toamasina.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre