Fanafihana anaty haizina – Olona telo nokapain’ny jiolahy ny famaky
Lehilahy roa niaraka tamina vehivavy iray no indray naratra mafy nanamparan’ireo olon-dratsy ny heriny, tany Ambato Boeny, ny harivan’ny talata, tamin’ny 7 ora sy sasany. Tao anatin’ny fahatapahan-jiro tanteraka no nanao amboletra niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray ny jiolahy enin-dahy. Famaky niaraka tamin’ny zava-maranitra no nentin’izy ireo tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia novelesin-dry zalahy ny iray trano. Vokatr’izany, roalahy naratra mafy noleran’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy be raha voavely famaky teo amin’ny lohany kosa ny vehivavy iray. Nandriaka ny rà tao an-trano. Nanao izay danin’ny kibony amin’izay ireo jiolahy naka ny vola sy ny fitaovana lafo vidy tao an-trano rehefa tsy afaka nanohitra ireo lasibatra. Nandositra ireo olon-dratsy rehefa nahazo izay nilainy. Ireo naratra kosa nentina namonjy toeram-pitsaboana tao Ambato Boeny. Kanefa noho ny halalin’ny ratra nahazo ireto voatafika dia voatery nalefa haingana tany Mahajanga. Mitebiteby andro aman’ alina ny mponina any Ambato Boeny. Manao tohy vakana hatrany mantsy ny fanafihan-jiolahy mitranga any an-toerana, ao anatin’izany ny halatra omby, ny fanafihana mitam-piadina ary saika lasibatra avokoa ny tranom-barotra sy ny tranon’olon-tsotra, eny hatramin’ny trano fandraisam-bahiny aza, manginy fotsiny ny fanakanan-dalana, raha ny vaovao voaray.
L.N