Fisorohana ny fidinan’ny tahan’ny voka-panadinana – Arahi-maso ireo sekoly tsy miankina
Anisan’ny manimba ny voka-panadinana eto Madagasikara ny fisian’ireo zaza manala fanadinana ofisialy aloha loatra. Mba hisorohana izany dia handefa mpanara-maso eny anivon’ireo sekoly tsy miankina rehetra manarena ny Nosy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena rehefa manakaiky ny fanadinam-panjakana mba hanamarinana fa tena kilasy fahatelo marina ilay zaza hanala fanadinana. Amin’izany no hijerena ny lisitr’ireo mpianatra eo anivon’ireo sekoly ireo, ahalalana fa ireo marina ny mpiadina ao aminy.
« Tsy mety amin’ny fampianarana ny zaza amin’ny kilasy faha efatra hampanaovina ny Bepc na ankizy amin’ny taona faha efatra hanala Cepe. Miteraka tsy fahampian’ny fahalalana amin’ireo zaza foana ny mitsambikina kilasy. Hanao ezaka ny minisitera amin’ity taom-pianarana ity hijerena manokana ny zava-misy marina eny amin’ireny sekoly tsy miankina ireny, ao anatin’izany ny fiantraikan’ny fanalana ny fanadinana aloha loatra ary dinihina aloha izany vao mandray fanapahan-kevitra ny minisitera », hoy i Ralison Anatole, talen’ny Kabinetra ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Laurena Nany