Politika maloto !
Manomboka misehoseho sy mampiaka-peo indray ireo mpanao politika tato ho ato rehefa somary nangingina kely teo aloha teo. Tsotra ny anton’izany rehetra izany: efa manangasanga any ny mety ho fanovana ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta. Mba samy te hahazo seza sy tombon-tsoa ao avokoa ny rehetra ka dia samy miseho ho be hevitra sy be saina entina hanehoana fa ny antoko misy azy no tena dadany eto amin’ity firenena ity. Ireo mpanao politika malagasy rahateo efa iaraha-mahalala fa tompon-daka maneran-tany amin’ny fanehoan-kevitra mitodika amin’ny fidokafan-tena sy ny fanaratsiana ny hafa. Raha olona tsy mbola mahalala ny politika eto Madagsikara dia tena anjely latsaka an-tany ary olon-kendry tapi-pahaizana avokoa ireo mpanao politika malagasy. Ny mifanohitra amin’izany anefa no misy satria saika izy rehetra dia efa nihinana sy nanimbina tamin’ny fananam-panjakana avokoa. Misy fotsiny eo amin’ny fitondrana sy ny ivelany ka ireo no mifanenjika miady seza mba ahafahana migoka tsy amin’ahiahy ny tombontsoa mihoam-pampana nangalarina avy amin’ny fananam-bahoaka.
Ny tena mahazendana dia ny tsy fahasahian’ireo antoko matanjaka mitonon-tena ho mpanohitra nefa tena mitsikera mafy ny fitondram-panjakana. Tsy milaza ho mpanohitra satria manantena kely ihany sao mba omena seza ka ho afa-baraka raha hanaiky ny handray izany. Ny vola rahateo tsy mba hangidy, na oviana na oviana, ka dia manao izay fomba rehetra azony atao ireo mpanao politika mba hilazana fa tsy maintsy mitsikera izy ireo na dia tsy mpanohitra aza.
Raha ny tena tokony ho izy hatreto dia ilain’ny firenena ny fijoroana sy ny fivondronambe ny antoko mpanohitra mba ho aro riaka amin’ny tsy mety ataon’ny antokom-panjakana. Misy ihany eto, ireo sahy mitonona ho mpanohitra, saingy tsy afa-manoatra izy ireny satria antoko madinika, izay zara raha nahazo iray isan-jato tamin’ny fifidianana. Ireo antoko matanjaka kosa tsy sahy mijoro ofisialy ho tena mpanohitra ny tsy mety eto amin’ny firenena. Ireo anefa no tohanan’ny vahoaka ary afaka manana ny tanjaka ahafahana mijoro ho mpiaro ny tombontsoan’ny valalabemandry.
Tsy mazava loatra izay tena tanjon’ireo antoko matanjaka ireo satria sady manaratsy ny fitondrana no misisika mitady toerana ao ihany. Ataon’ny mpitondra tohatra fiakarana fotsiny ka mody ampanantenainy fifampidinihina sy fifanarahana rehefa mafampana ny toe-draharaha politika. Omen’ny mpitondra lamosina anefa ary ataony toy ny tsy misy rehefa milamindamina ny raharaha.
Efa ho roa taona aty aorian’ny nijoroan’ny Repoblika fahefatra dia tsy mbola nahavita nanangana ny tena fivondronambe ny mpanohitra ihany ny antoko politika eto Madagasikara. Midika izany fa mbola maro ireo manantena ny hahazo tombontsoa ao anatin’ity fitondrana ity ka tsy sahy maka fanapahan-kevitra ny hijoro amin’ny tena foto-kevitra arahiny. Mitovy amin’ireo mpamadika palitao ihany ireo antoko misalasala eo afovoany ka tsy sahy milaza ho manohana na mpanohitra ny fitondrana. Vao misy hirika kely, mety hahazoana seza sy hihinanana, dia milaza fa vonona ny hiara-hiasa amin’ny mpitondra. Vao tsy mahazo rirany anefa dia manizingizina fa tsy mandeha amin’ny laoniny ny raharaham-pirenena.
Hatreto aloha dia tena tsy misy azo antenaina ny hanavotana ity firenena ity raha ny mpanao politika no andrasana hitarika izany satria tsy misy afa tsy ny fitadiavana tombontsoa ho azy ireo no mahamaika azy. Hatramin’ireo misora-tena ho gadra politika aza no efa manana fikambanana eto amintsika ary mitaky tombontsoa manokana. Atsy ho atsy angamba dia hanangana fikambanana ofisialy ihany koa ny dahalo ka hiakatra eto an-drenivohitra ary hanao fanambarana fa mangataka toerana eo anivon’ny governemanta. Dia hanangana antoko toy izany, ihany koa, ny fivondronamben’ireo gadralava sy mpamaky trano ary mpananendaka ka hangataka ny hanangana andrim-panjakana manokana hiahy azy ireo. Inona tokoa moa ny olana amin’izany satria efa hanjakan’ny dahalo ambony latabatra sy ny kolikoly avo lenta ary ny fanodikodinana volam-panjakana ihany any ambonimbony any.
Ravalo tsy Manana