Fanomezan-drà – 250 kitapo no tanjon’ny Lions Clubs
Tamin’ity taona ity dia fanomezana rà no nentin’ny fikambanana Lions Clubs nankalazana ny tsingerintaona niforonany, izay tamin’ny 8 oktobra 1917. Amin’ny maha-fikambanana mpanao asa soa azy io dia mitondra ny anjara birikiny amin’ny manerana izao tontolo izao izy io. Ao anatin’izay indrindra no nahatonga ny fikambanana hanome ra ho an’ny hopitaly izay ho an’ireo olona mila izany. Mba hahazoan’ireo tsy salama mitady ra eny amin’ny hopitaly rehetra eny. Raha miisa 25 ny fikambanana klioba eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia 250 kitapo no tanjona tratrariny amin’ity fanomezana rà ity.
Tsy maharaka ireo marary ny rà ao amin’ny Hjra
Tsy ampy ny isan’olona manome rà eny amin’ny hopitaly Hjra. Tsy mbola mamparisika ny olona ny fanomezan-drà an-tsitrapo. Matetika dia ireo manana marary mila rà eny amin’ny hopitaly no manome izany anefa betsaka ireo vonjy aina no tena ilana izany. « Farafahakeliny dia miisa 120 kitapo isan’andro ny filan’ny hopitaly. Tsy maharaka izany satria mikarakara ny marary rehetra eto an-drenivohitra izahay. Marihana fa tsy vidiana ny rà eto amin’ny Hjra fa fandraisana anjara no atao, ho an’ireo hopitaly tsy miankina satria tsy maintsy soloina ireo rà ireo », araka ny fanazavan’i Lalatiana Valisoa Andriambelo, tompon’andraikitra amin’ny antoka kalitaon’ny ra ao amin’ny fitahirizan-drà.
L.N