Tsy mitana ny teny nomena
Averimberin’ny olona alefa amin’ny tambazotra rehetra misy any amin’ny “internet” indray izao ny sary mihetsika (video) mikasika ireo fanambaran’ny Filoha ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, manoloana ny delestazy. Tamin’ny voalohany izy, fony mbola kandida, dia nilaza mazava fa 3 volana monja dia mahita vahaolana momba ny delestazy, raha izy no lany ho Filoha. Nony injay anefa nitondra dia nilaza indray fa 5 na 6 volana no voavaha tanteraka ny delestazy. Herintaona taty aoriana dia mbola niteny ihany fa niandry ny governemantra vaovao ny tena vahaolana ka afaka 6 volana dia ho foana tanteraka ny fahatapahan’ny herinaratra. Folo volana aty aorian’ny nitsanganan’ny Governemanta Ravelonarivo ary roa taona latsaka taorian’ny nandraisan’ny filoha Rajaonarimampianina ny fahefana dia mbola misy isan’andro ny delestazy. Nangataka andro indray ny fitondram-panjakana fa amin’ny volana novambra no hifarana tanteraka io delestazy io. Dia ho hita eo ny tohiny fa hatreto aloha dia sarotra ho an’ny vahoaka ny hino izany.
Tsy vitan’ny niteny am-bava ho 3 volana mantsy ny filoha tamin’ny praopagandiny fa tena nanangana ny ratsan-tanany telo (ankihibe, fanondro, ary fanondro adala) mihitsy hanamafisana fa tena matotra ny resany ary tsy fampanantenana poak’aty. Mbola narahiny tsiky kely miampy fiteny falifaly fanomezan-toky sy fanantenana izany. Mipetraka ary ny fanontanina ankehitriny hoe iza no diso: ireo mitaky ny fanatanterahana ny fampanantenana ve sa ilay nampanantena ny tsy hisy, sady tsy mitana ny teny nomeny? Samy manana ny mety havaliny izany saingy ny marina iray ihany ary ny fiainam-pirenena tsy vitan’ny fanazavan-kevitra fa mila vokatra mivangana ho an’ny vahoaka.
Saika isan’andro ity “vokatra mivaingana ho an’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka” ity no voaresaka eto amin’ny Bala satria izay no atao hoe politika ho an’ny vahoaka. Tokana mantsy ny adidy ankinina amin’ny fitondram-panjakana dia ny asa fampandrosoana ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Izany hoe izay zavatra hafa ankoatra izany dia tsy tokony ho sokajiana ho raharaham-pirenena intsony fa raharaha hafa.
Ny vahoaka rahateo tsy mijery ary tsy miandry afa-tsy ny fanatsarana ny fiainam-pirenena amin’ny sehatra rehetra ary indrindra ny fanafoanana tsy fahampiana sy ny fialana amin’ny fahantrana. Endrika iray tsy azo hafenina ny delestazy fa ny toekarena iray manontolo mihitsy no tsy mandroso. Tsy ny malagasy akory no kamo miasa fa ny asa atao no tsy misy, ary na misy aza tsy mahavelona. Kely ny karama satria ambany dia ambany ny sandan’ny Ariary ka tsy mahavita ny filan’ny isan-tokan-trano.
Maro ihany, tato ho ato, ireo mpahay toekarena no miaka-tsehatra mampiseho fahaizana fa azo atao tsara ny mampiakatra ny sandan’ny Ariary saingy toa tsy misy mihaino izany. Ireo teknisianina eo anivon’ny fitondram-panjakana rahateo tsy mba misy mihitsy maneho ny heviny na mitombina na tsy mitombina ireny soso-kevitra miainga etsy sy eroa ireny fa dia manao be marenina any anaty birao any fotsiny.
Ekena fa tena anisan’ny atidoha sy sangany amin’ny fikirakirana vola sy ny toekarena ny Filoha sy ny mpiara miasa akaiky aminy marobe, saingy ny hevitry ny maro mahataka-davitra. Tsy ny ety ivelany mihisty akory no hampianatra ireo teknisianina ara-toekarena ao anaty fitondrana saingy kosa iraha-mahita fa tsy mandeha araka ny niheverna azy ny asa fampandrosoana nampanantenaina. Misy tsy mety ao na mety misy stratejia diso ka ilana vahaolana avy amin’ny teknisianina hafa rehefa tsy vitan’ireo efa ao anaty fitondrana.
Tsy ny toekarena ihany fa ny sehatra rehetra no voakasik’izany olana izany ary mila fifanomezan-tanana. Maro anefa ireo efa tsara toerana sy migoka ny mamy ka tsy te hizara izany amin’ny hafa. Io fomba fanao io no mahatonga ny fampanantenan’ny Filoha tsy ho tanteraka satria toa lasa manam-pahaizana ambony latabatra fotsiny ireo tompon’andraikitra notendreny fa tsy hita izay tena afitsoka rehefa angatahina vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana.
Tsy mahagaga raha tsy voatana ny teny nomena satria tsy araka ny nampoizina ny fahaizan’ireo mpiara-miasa nanankinana hitondra vahaolana. Fotoana kosa angamba izao hanaovana fanitsiana faobe ireo teknisianina ambony tsy mahomby amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Ravalo tsy Manana