Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Rn4 – Taksiborosy iray nivadika

Fiara marika Mercedes Sprinter iray indray nivadika tany amin’ny lalam-pirenena Rn4, 20 kilometatra miala ny tananan’ Ankazobe, omaly, tamin’ny 2 ora tolakandro. Taksiborosy avy aty an-drenivohitra ho any Maevatanana ity tra-doza ity noho ny olana ara-teknika nahazo azy. Niraikitra tsy nety niodina ny familiana ka nivadika ilay fiara avy eo. Tsy nisy ny aina nafoy fa naratra avokoa ireo mpandeha tao anatiny ary potika ihany koa ilay Sprinter. Nentina namonjy tobim-pahasalamana any Mahitsy ireo naratra ary nilaza ilay mpamily fa  « Tsy nandeha mafy mihitsy  fa ny loza efa ho avy. Niraikitra ilay familiana ary niezaka nanodina izany aho fa tsy nety mihitsy izany ary iny nivadika iny ny fiara. »

Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana teny amin’iny lalana mianavaratra iny tao ho ao. Manakaiky an’Ankazobe iny no matetika hisehoan’izany ary ireo fiara marika Sprinter ireny foana no niharan-doza. Fandehanana mafy ataon’ ireo mpamily no matetika mahatonga izany, izay namoizana ain’olona efa maro be.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre