Vous êtes ici :

Lundi 25 Novembre 2024

ombre

Andrefana Ambohijanahary – Valo lahy nirongo basy nanafika mpamongady

Mpamongady iray no lasibatry ny jiolahy mitam-piadiana teny Andrefana Ambohijanahary ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Miisa 8 mahery izy ireo nigadona tao amin’ilay fivarotana ka avy hatrany dia nanapitsoka ny varavarana sady nanapoaka basy. Nokapohan’ireo olon-dratsy ny loha sy ny tanan’ny raim-pianakaviana vao tafiditra tao an-trano izy ireo. Tsy afa-nanohitra ity farany ka nanararaotra naka izay tiany ireo mpanafika.

Nangalarin’izy ireto avokoa ny vola tao an-tsena sy ny vola kely tahirin’ireo lasibatra ary ny zavatra sarobidy tao an-toerana. Natahotra ny ho voatafika, ihany koa, ny manodidina na dia naheno ny fanafihana aza, ka tsy nisy sahy nivoaka nanampy ireo fianakaviana lasibatra. Efa lasa lavitra ireo jiolahy izay izy ireo vao namonjy ireo voaroba sady niantso ny mpitandro filaminana. Nentina tany amin’ny hopitaly ilay raim-pianakaviana naratra avy eo fa tsy misy ahiana kosa ny ainy.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre