Lion’s Club – Nanao fitiliana katarakta sy diabeta maimaim-poana
Andro natokana ho an’ny fahitana ny sabotsy 10 oktobra lasa teo. Nisy ny hetsika tamin’ny alalan’ny fizaham-pahasalamana, izay nokarakarain’ny Lion’s Sight First Madagascar (LSFM), ao anatin’ny Lion’s Club, natao teny amin’ny lapan’ny tanàna Analakely. Nisy ny fitiliana maimaim-poana ny aretina katarakta sy diabeta ary ny fiakaran’ny tosi-drà. « Antony nanaovana izao hetsika izao ny fahatsapana fa zava-dehibe ny fahafantaran’ny tsirairay ny toe-batany. Io fitiliana io no dingana iray lehibe ahafahana manara-maso ny toe-pahasalaman’ny olona misy katarakta sy ny diabetika. Ny areti-maso dia miara-dalana amin’ny aretina diabeta hatrany ka izay no nahatonga ny fijerena maso sady sy fitiliana io diabeta io », hoy i Henri Jacques Rakotomalala, administrateran’ny LSFM.
Tanjona tamin’ny hetsika ny tsy hisian’ny olona jamba intsony. Maro ireo olona no tonga nanohina ny antso, ary raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny Lion’s Club dia misy ny fizarana solomaso amin’ny sarany mirary sy zakan’ny fahefa-mividy ny rehetra.
L.N