Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Jimmy maro basy – Nidoboka eny Antanimora

Etsy amin’ny fonjaben’Antanimora aloha izany no nalefa naka saina ingahy Jimmy, mpanolana ireo zazavavin’ny alina mpitady vola eo Analakely sy ny manodidina. Notaterina teto amin’ny gazetintsika ny faran’ny herinandro lasa teo ny zava-bitan’ity lehilahy ity, izay nahatratra 75 no isan’ireo mpiasa vatana nitory azy.

Ary dia nahazo anara-petaka sahady izy noho izany zava-bitany izany ka nantsoin’ny maro hoe : Jimmy maro basy ! Ny fakàna ireny « makorelina » ireny no tena fialam-bolin’ity ranamana ity ary rehefa tafiditra any anaty efitrano na “chambe”  ilay tovovavy dia ambanany amin’ny basy tena izy, karazan’irony « pistolet automatique » irony, izay mitondra ny marika « beretta 9mm. »

Rehefa izany dia lalaovin’ny amin’izay tiana eo ka isan’izany ny fanaovana firaisana arahina herisetra any amin’ny fitombenana. Ny vazivazin’ireo ratsy saina mahay manisa dia milaza fa basy roa izany no ampiasaina hatreo. Etsy andaniny dia ampiasan’i Jimmy ireny fitaovana miendrika taovam-

pananahan’ny lehilahy izay vita amin’ny plastika ireny amin’ny fivavian’ilay rembiny. Basy hafa koa izay, hoy ny mpahalala ka moa va tsy toy ireny milalao sarimihetsika mamoafady vita avy any am-pita ireny no ataon’ity tovolahy ity ?

Mazava ho azy fa dia mitondra faisana tokoa izay tratrany, ary tena maro tokoa, hany ka na dia efa mailo azy ireo mpivaro-tena no sady miely ny feo mampitandrina ny hafa dia mbola misy foana no azony. Miovaova fiara ihany koa mantsy ity lehilahy ity ka saro-pantarina saingy tratra ihany tamin’ny ny herinandro lasa teo iny ary dia izao any am-ponja izao. Fa manoloana izany dia manantena ireo zazavavin’ny alina izay lasibatra ireo fa mba ho tena hentitra ny Fitsarana ka hanome sazy mafy azy.

J.L.R

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre