Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Vatomandry – May kilan’ny afo ny tranon’ny pasitera

Nirehitra  ny tranon’ny pasitera iray, ao amin’ny fokontany Ampandranety, any Vatomandry ny takarivan’ny alahady, tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany tany ho any. Tao anatin’ny ora vitsy monja, lasa lavenona tsy nisy noraisina ilay trano, vokatry ny afo nirehitra nanakaiky ny solika. Tsy tao an-trano ry pasitera mianakavy tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa mbola tany am-piangonana nampivavaka ary ny tovovavy mpanampy azy ireo ihany no tao. Niantso vonjy avy hatrany ilay mpiasa raha nahita ny fijoalajoan’ny afo nananika ny efitrano. Nifamonjena ny famonoana ny afo, saingy sarotra izany noho ny fitsokan’ny rivotra ka kila firehitra ilay trano. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa potika tanteraka tsy nisy noraisina ny entana tao. Efa misokatra ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre