Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Môtô nidona tamin’ny 4×4 – Tovolahy roa maty tsy tra-drano

Tovolahy miisa 2 nandeha kodiaran-droa indray no maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambatofisaka, làlana mihazo ny distrikan’Antalaha, ny alahady maraina, tamin’ny 7 ora. Avy any Sambava izy ireo no nifatratra tamin’ny fiara 4×4 iray nifanatrika taminy. Nandeha mafy izy ireto ary nahenoana fofona alikaola ihany koa nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana. Nipitika 2 metatra niala ny  toerana nisehoan’ny loza izy roa lahy ka ny iray izay manodidina ny 24 taona, no maty teo no ho eo raha toa ka tany amin’ny hopitaly kosa no namoy ny ainy ilay namany, tokony ho 22 taona any ho any.

Mpamily kamiao iray hafa, ihany koa, no maty tsy tra-drano, teny amin’ny lalam-

pirenena Rn2, tao Brickaville, ny marainan’ny 10 oktobra lasa teo. Hitodi-doha ho aty an-drenivohitra ilay kamiao « Semi-remorque » no nivadika tampoka ary nifatratra teo amin’ny tokontanin’olona iray. Tsy fantatra ny nahatonga ny loza fa maty ilay mpamily rehefa tonga kelileky tany amin’ny hopitaly tao an-toerana.

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre